Hotanterahana amin’ity anio ity, tahaka ny mahazatra isan-kerinandro ny filankevitry ny minisitra.
Mandritra izany moa no handraisana ireo fanapahan-kevitra goavana momba ny fitantanana ny firenena. Fa ny tena andrasan’ny maro dia ny hoe : hanao ahoana ny ambiansy ao anaty lapa ao ? Nafana mantsy ny maripana ny herinandro lasa teo. Minisitra iray no voaroaka, niseho masoandro ihany koa ny tsy fifankahazoan-kevitra eo amin’ny filohan’ny tetezamita sy ny praiminisitra, voatohintohina indray ny fahalalahana sy ny asa fanaovan-gazety, ary tena mavaivay ny tsikera mahazo ny minisitry ny serasera. I Andry Rajoelina etsy ankilan’izay dia manamafy fa misy manampahefana ao ambadiky ny fitokonana miendrika fanakorontana misy eto, tahaka ny mihantsy ady amin’ireo ankolafy politika hafa ihany koa izy, ary manao esoeson-teny amin’ireo sesitany politika mbola tavela any ivelany.
Tsy niteny anarana mazava moa ny filohan’ny tetezamita, saingy efa mahalala ny rehetra fa Atoa isany Marc Ravalomanana sy Didier Ratsiraka ireo nambarany fa tokony hijanona any ivelany any aloha ary manaja tena fa tsy tokony hampirisika ny olona eto Madagasikara mba hisavorovoro na hitokona. Nandeha be koa moa ny resaka, taorian’ny fanesorana ny minisitry ny tontolo iainana fa mbola misy minisitra hafa mety hoesorina, ka ireo olon’ny ankolafy Ravalomanana sy Zafy no voalaza, fa voakasik’izany. Raha izay no izy dia hafana ny fivoriana eny an-dapa eny, fa dia mety hifanasa vangy ao ny andaniny sy ny ankilany. Hita ho mizara roa mazava ny governemanta amin’izao fotoana, ka ao ireo minisitra manaiky tsy misy adihevitra ny praiminisitra Beriziky, fa misy kosa ireo minisitra tsy mahalala sefo, afa-tsy i Andry Rajoelina. Vao mainka hampiakatra ny maripana mandritra ny fivoriana moa ny fandinihana ny fananganana ny CFM na Komitin’ny fampihavanana malagasy sy ny mety ho fiverenan’ny adihevitra indray amin’ny fampiharana ny andininy faha-20 ao amin’ny tondrozotra, mahakasika manokana ny fodian’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana eto Madagasikara.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.