Tsy eto an-toerana fa mamita iraka any ivelany efa andro vitsivitsy izao ny Praiminisitra Beriziky Omer
Tany Soisa nandray anjara tamina fivoriana momba ny tontolo iainana izy amin’ny maha minisitry ny tontolo iainana sy ny Ala, misolo toerana azy. Omaly indray dia tany Istamboul Torkia ny Praiminisitra nikaon-doha an-databatra boribory mikasika ny fitantanana ny ala miaraka amin’ny Firenena Mikambana. Fantatra fa ny Praiminisitra lefitra, misahana ny fampandrosoana sy ny fanajariana ny tany, Hajo Andrianainarivelo no voatendry hisolo toerana azy vonjimaika hampandeha ny raharaham-panjakana, ka hitarika ny Filankevitry ny governemanta anio talata 9 avrily.
Ny alarobia izany hoe ny ampitso kosa raha ny fandaharam-potoana no fanaovana ny filankevitry ny minisitra izay tarihin’ny filohan’ny tetezamita ka mampametra-panontaniana ny mpanara-baovao ihany koa hoe hanao ahoana ny fifanatrehan’ny filohan’ny Tetezamita sy ny Praiminisitra lefitra, izay Praiminisitra misolo toerana sady kandida filoham-pirenena hifaninana amin’ny kandidan’ny TGV ihany koa ? Ho hita eo ny tohiny. Ny Praiminisitra Beriziky moa dia voalaza fa amin’ity herinandro ity no hiverina an-tanindrazana.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.