Mazava izao fa manana olana amin’ny fandrindran’asa ny eo anivon’ny fitondram-panjakana ka sahirana niatrika ny fihanaky ny aretina pesta manerana ny nosy.
Efa ho telo herinandro aty aorian’ny nisian’ny olona maty vao mikoropaka sy mihetsiketsika.Ny mahazendana dia manakiana mafy ireo mpitantana ny tanàna ny praiminisitra. Iaraha-mahalala anefa ny antsojay mahazo ireo ben’ny tanàna tsy HVM tahaka an’Antananarivo Renivohitra sy Toamasina I fa na ny vola ihodinan’ny kaominina isan’andro aza olana.Tsy manome ilay fanampiana (subvention) anjaran’ny kaominina ny fitondrana foibe.Henjankenjana ny resaka momba ny aretina pesta nandritra ny filankevitry ny governemanta notanterahana tenyMahazoarivo omaly. Tahaka ny efa nambarany teny amin’ny Villa Berlin ny alatsinainy teo dia mbola nanamafy ny praiminisitra Solonandrasana Mahafaly fa manana andraikitra lehibe amin’izao fiparitahan’ny pesta izao ireo ben’ny tanàna,indrindra fa Antananarivo Renivohitra sy Toamasina I.Voakiana mafy i Lalao Ravalomanana sy Elysée Ratsiraka. Nampian’ny praiminisitra fa mivadika ho resaka politika ilay pesta.Manana anjara andraikitra heady amin’ny pesta ary hifehy izany faran’izay haingana ihany koa ny mpikambana rehetra ao anatin’ny governemanta, hoy i Solonandrasana Mahafaly ary tokony hampitomboina ny serasera ataon’ny minisiteran’ny fahasalamana mba hahafantaran’ny vahoaka ny zava-misy sy ny tokony hataony.Apetraka hanampy azy ny komity manokana itambaran’ireo minisitera.Tetsy an-kilan’izay,nilaza ny minisitry ny rano fa hisy hetsika goavana hanetsehana fitaovana sy olona ary tetibola goavana hanadiovana ireo tanàna rehetra voakasiky ny aretina pesta, toa an’Antananarivo Renivohitra sy ireo kaominina manodidina azy tahaka an’Alasora. Mitohy ihany koa ny hetsika fandrarahana ranom-panafody.Nanamarika faranynyminisitrynyfahasalamanafatsyvoateryhanaotapim-bavanyolonaarytsyfiarovanamahombyamin’nypestaizyio.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.