Manaraka tsara ny raharaham-pirenena ny CFM, hoy ny filoha lefiny, Gérard Ramamimampionona, raha nanontaniana ny fipetrak’izy ireo
manoloana ny otrik’ady taratra eo amin’ny antenimierandoholona sy ny fiadidiana ny repoblika. Mitarika hatrany ny komitin’ny fampihavanana ny amin’ny mba hitondrana ny tany sy ny firenena ao anatin’ny fanajana ny soatoavina malagasy. Inoana fa lalana goavana hahafahana mamoaka ny firenena ao anatin’izao toerana misy azy izao, hoy hatrany izy, ny fametrahana ny soatoavina ho fototra. Hovoriana mihitsy ireo ben’ny tanàna vaovao, hametrahan’ny CFM io fototra io. Antananarivo no hanombohana azy ka ny ao Itasy ny 22 janoary, Bongolava ny 24, Vakinankaratra ny 27, Analamanga ny 29 satria mihazakazaka ny raharaham-pirenena ka tsy azo andrasana ny fametrahana izay fototra izay. Efa ara-tantara io. Ohatra amin’izany ny hoe « teny ierana », « ny fanjakana tsy hananan-kavana », ny fandaminan-javatra toy ny hoe « roa trano mahefa, telo trano mahefa » sy ny sisa. Tokony hiainana eo anivon’ny kaominina izany ary misy ny lalàna mifanaraka amin’ireny ara-tantara ireny. Manana andraikitra koa, hoy hatrany ny tenany, ny eny anivon’ny antenimiera, izay rafitra mpanao lalàna, hampifandrindra lalàna laniany sy izay soatoavina izay.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.