Ihandronan’ny tsikera ka dia hita ho miaro tena mafy ny Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy (FFM). Omaly dia voatery nitondra fanazavana ny komity mpanomana ny fananganana ilay rafitra ahitana ny Finona, Raiamandreny Mijoro ary ny CNOSC manoloana ny fanakianana fa tsy ilaina ny FFM.
Nambaran’izy ireo fa tsy azo ihodivirana ny fampihavanam-pirenena izay hiandraiketan’ny FFM. “Iankinan’ny fiainam-pirenena sy hivoahana amin’ny krizy ny fampihavanam-pirenana”, hoy ny pastera Ramino Paul (Raiamandreny Mijoro). Nanamafy koa Rtoa Randriamampionona Lalao (CNOSC) fa ilaina ny fampihavanana ny filoha Marc Ravalomanana sy filoha Andry Rajoelina sy ny mpanao politika saingy tsy handamina ny olan’ny vahoaka raha izany fotsiny satria efa nisy zavatra nihandrona tao nandritra ny telo taona nisian’ny krizy. Nahemotra hatramin’ny rahampitso zoma amin’ny 5 ora hariva moa ny fara fandraisana ny antontan-taratasy filatsahana eny anivon’ny biraon’ny Finona, Raiamandreny Mijoro ary ny CNOSC eto an-drenivohitra raha eny amin’ny biraon’ny Faritra kosa no fanaterana dosie ho an’ny kandida monina lavitra ny renivohitra.
Ny fangatahan’ny Kaominina, ny Distrika, ny Faritra ary koa ireo komity mpanomana eny anivon’ny Faritra izay nilaza fa tsy ampy ny fotoana nanomanan’ireo maniry hirotsaka ao amin’ny FFM ny antontan-taratasy ilaina amin’ny filatsahana no anton’ny fanalavana roa andro ny fe-potoana araka ny fanazavan’ny komity mpanomana foibe. Naharaisana dosie mahafeno ny fepetra avokoa ny Faritra 22 saingy tsy afaka manome ny isan’ny fitambaran’ireo ny komity mpanomana noho ny antony ara-pifandaminana raha ny fanazavan-dRamarolahy Albert (Finona). Mba hialana amin’ny ahiahy tsy ihavanana dia nanipika mazava koa ny komity mpanomana tamin’ny fanambarana navoakany omaly fa tsy mpikambana amin’ny komity mpisafidy ry zareo ao anatin’ny komity mpanomana. Iniana tsy ampahafantarina mialoha mihitsy koa ireo mpikambana ao amin’io komity mpisafidy io izay ahitana ny solontena manerana ny Faritra 22 sao sanatria misy indray ny tsindry bokotra amin’ny fomba maro samihafa hatao azy ireo, hoy ny pastera Ramino Paul. Raha ny vinavina dia vaoaray eto an-drenivohitra avokoa ny dosie rehetra amin’ny alatsinainy 24 septambra izao ka mety any amin’ny faran’ny herinandro ambony any no fantatra ireo mpikambana FFM.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.