Araka ny lalàna lah. 2016-037 tamin`ny 02 febroary 2017 dia anisan` ny fahefana omena ho an`ny Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy (CFM) ny famotsoran-keloka.
Famotsoran-keloka ho amin`ny fampihavanana no omen` ny eo anivon`ny CFM mba hanamafisana ny firaisankinan` ny samy Malagasy. Hamafa heloka fototra sy ny heloka fanampiny rehetra ny fahazoana famotsoran-keloka saingy tsy ny rehetra no tsy hisitraka izay anefa. Misy kosa ny dingana, fanadihadiana ary famakafana lalina no tsy maintsy atao vao afaka manome famotsoran-keloka ity rafim-panjakana ity. Tamin` ny taona 2019, dia niisa 40 ireo antontan-taratasy no dinihana ka 4 tamin` izy ireo no nahazo izany famotsoran-keloka izany. Rehefa mahazo famotsoran-keloka ny olona iray dia madio tanteraka ny ny mombamomba azy eo anivon`ny fitsarana (casier judiciaire). Marihana fa ireo raharaha politika tafiditra teo amin`ny elanelan` ny taona 2002-2013 no hasian` ny CFM fandinihana ary nomarihany fa tsy natao ialokafofan` ny mpanao ratsy ny famotsoran-keloka. Mahakasika ny tetibola natokana hanorenana ireo niharam-boina tao anaty krizy dia nilaza ny CFM fa tsy anjarany no miandraikitra izany. Manana tetibola manokana natokana ho azy tokoa izy ireo, araka ny voarakitra ao anatin`ny lalàmpanorenana, fa kosa tsy tafiditra ao anatin` izany ny sora-bola natokana ho an` ireo niharam-boina, hoy hatrany ny fanazavana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.