Politique

Filankevitry ny fampihavanana malagasy “Malagasy mifamelona no tanjona !”


  • Alarobia 30 Janoary 2019

Mbola manohy ny asany hatrany ny eo anivon’ny filankevitry ny fampihavanana Malagasy na CFM, raha ny fanazavan’ny filoha lefiny, Gerard Ramamimampionona.

 Mila hamafisina, hoy izy, fa mampiavaka na hoe “identité” an’ny Malagasy io fahaizana miara-monina anaty fihavanana io. Very anefa izany tao anaty fanjanahantany ary hatramin’izao dia misy endrika tsy fihavanana lasa lalim-paka be eto vokatry ny fifanilihana andraikitra, tsy firaharahiana, fifamonoana, fifanenjehana sy ny maro. Ka araka ny andininy faha 168 ao amin’ny lalàm-panorenana, hoy izy, dia ny hamaha ireny no nametrahan’ny fanjakana ny CFM eto mba hiadanan’ny vahoaka sy hitondra fampandrosoana. Mila hampifandrindrana amin’ny fandaharan’asan’ny fitondrana foiba anefa izany. Ohatra hoe ny resaka tsy fandriampahalemana dia ekena tokoa fa amin’izao mety ilaina ny fitaovam-piadiana saingy fitaovana natao hifamonoana ireny. Rehefa miverina amin’ny fanajana ny soatoavina kosa isika, hoy izy, dia lasa fitaovam-pamokarana entina mifamelona indray no ilaina lavitra satria Malagasy mifamelona no tanjona. Izany, hoy ny tenany, no imasoan’ny CFM amin’izao fa naho lasa miaramila sy zandary daholo aza isika tsy misy dikany rehefa tsy misy fanahy. Mieritreritra ny hanolotra hevitra na “recommendation” any amin’ireo ambaratonga samihafa ny CFM amin’izao fotoana izao. Eo koa ny fangatahana dini-pirenena sy ny resaka fanabeazana.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT