Politique

Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy Bokan-trosa 70 tapitrisa Ariary


  • Alakamisy 14 Jolay 2016

Vaky ambatolampy ny trosa miavosa baben’ny Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy (FFM).

Tafakatra hatrany amin’ny 70 tapitrisa Ariary izany farafahakeliny, raha ny teo anelanelan’ny taona 2013 ka hatramin’ny 2015 fotsiny, no tsy tafaverina na angatahany andro ny hanefana azy mba tsy hilazana fa tsy nefainy. Ny tamin’ity taona 2016 ity tsy ferana. Manahy ireo manan-trosa amin’ity andrimpanjakana mba nandrandrain’ny Malagasy maro fa hitondra fitoniana eto Madagasikara ity sao hanjavona ho azy any ny volan’izy ireo. Mandalo tetezamita mantsy ny FFM amin’izao. Vao naroson’ny governemanta hakana fankatoavana eny anivon’ny Antenimeram-pirenena sy Antenimierandoholona mandritra izao fivoriana tsy ara-potoana tanterahina amin’izao fotoana ny lalàna hananganana ny FFM hasolo ny misy ankehitriny. Etsy an-kilany, ny lalàna fanitsiana ny tetibola taona 2016 vao, nolanian’ny solombavambahoaka farany teo, dia nanaovan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana fanamarihana ny andininy roa, izay midika fa tsy mbola azo hampiharina avy hatrany mba misy hanefana io trosa io. Ary vao mainka mampitombo ny ahiahin’ireo manan-trosa amin’ny FFM ny fangalapiery ataon’ny tompon’andraikitra mpanapa-kevitra mikasika ny vola eo anivon’ity andrimpanjakana ity sy ny tsy fanajana ny teny ifanomezana. Tsy vola kely anefa fa vola be maherin’ny 70 tapitrisa Ariary no mihitsoka tsy tafaverina amin’ny tompony. Nezahina ny nahazoana ny fanazavan’ny filohan’ny FFM, Rabotoarison Sylvain, mikasika ity anton’ity trosa be miavosa baben’ny FFM ity sy ny fomba hanefana izany, saingy sady tsy tratra birao no tsy mandray antso izy. Tsy ho afa-maina amin’io trosa be baben’ny FFM io anefa izy.

Jean D. 


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT