Politique

Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy 11 amin’ny 33 no hotendren’ny filoha


  • Talata 14 Martsa 2017

Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra ny herinanrdo lasa teo ny fananganana ny komity hisahana ny fifantenana sy fanendrena ireo mpikambana vaovao handrafitra ny Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy (FFM) amin’ny endriny vaovao.

 Miisa 9 izy ireo, izay ahitana mpanao politika, fiarahamonim-pirenena, mpahay lalàna, ary raiamandreny ara-panahy sy ara-drazana. Nambaran’i Maka Alphonse, iray amin’ireo komity omaly, fa miisa  33 ireo mpikambana handrafitra ny FFM, ka ny 22 dia hotendrena ary ny 11 kosa no hotendren’ny filoham-pirenena mivantana. Iray avy isaky ny faritra kosa no hivoahan’ireo 22 hotendren’ny komity manokana, ka mila manatitra ny antontan-taratasiny eo anivon’ny komity mpanao sivana ireo izay te hiditra ho mpikambana vaovao anatin’ny FFM. Araka ny andininy faha-13 ao anatin’ny lalàna mikasika ny fananganana io filankevitra io, dia tsy tokony ho mpanao politika no handrafitra azy io. Voafaritra ao anatin’ny andininy faha-16 kosa fa olona mizaka ny zom-pirenena Malagasy, tsy latsaky ny 40 taona ary tsy mbola nigadra. Olona tokony hanana fahaiza-manao momba ny fampihavanana sy fametrahana lamina politika eto amin’ny firenena ihany koa ary tsy mbola nanao fanambarana ampahibemaso fa tsy ilaina ny fampihavanam-pirenena. Raha ny fahitana azy ary efa niteraka adihevitra teto amin’ny firenena ny hoe ny filoha dia anisan’ny olona hampihavanina, kanefa izy no hanendry ny ampahany ao anatin’ity filankevitra ity, izay mety hiteraka fitongilanana ihany. Ny hirariana dia mba handeha amin’izay ny tena fampihavanam-pirenena satria efa tena mijaly ary leo krizy ny Malagasy.


Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT