Hidina ifotony izahay eto anivon’ny komisionin’ny fahamarinana sy famelana ary fifamelana (vérité, pardon et amnistie) ato anatin’ny filan-kevitry ny fampihavanana malagasy na CFM, hoy izy ireo tetsy amin’ny biraony etsy Ampefiloha.
Any amin’ny fokontany sy kaominina manerana ny faritra, hoy izy ireo no tena ahitana ny mampiraviravy ny fihavanana sy ny heloka ibabohana mody rariny. Vonona hidina sy hiara-kiasa amin’ny rehetra izahay. Hanatona ny zokiolona sy ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny any. Miantso fifanoloran-tanana izahay, hoy izy ireo. Tsy fantatra ny fanombohan’ny fidinana ifotony sy ny fetran’ilay antsoina hoe « vérité et pardon » araka izay hirahiraina. Raha nanontaniana mikasika ny resaka fisamborana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana izay nanomboka niely indray tato ho ato ireto mpikambana eo anivon’ny CFM ireto dia tsy nety nilaza mazava ny tena heviny.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.