Nanatanteraka fifanakalozan-dresaka momba ny fanavaozana ny haino aman-jery ny tetikasa manohana ny fisorohana sy ny fitantanana ny resa-pifidianana sy ny herisetra eto Madagasikara (PEV Madagascar),
izay nitondra ny lohahevitra hoe « ahoana no hamelomana ny zava-bita fifidianana ny fifidianana tamin'ny taona 2019? »Anisan` ireo nandray anjara tamin` izany hetsika izany i Ravaoharinirina Hanitriniaina Liliane, sekretera mpanatanteraka ao amin'ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana (CENI), Gérard Rakotonirina, filohan'ny holafitry ny mpanao gazety(OJM), Soava Andriamarotafika, mpanao gazety ary i Ghislain Arsène Velo, mpikambana ao amin'ny vondron` ny mpanao gazety misahana ny fisorohana ny herisetra (Collectif des journalistes sensibles aux conflits). Niresaka momba ny anjara toeran'ny haino aman-jery amin'ny fampiroboroboana ny fifidianana izy ireo. Ny tanjona ankapobeny amin'ny adihevitra dia ny fanentanana ireo olom-boafidy, indrindra fa ireo mpisehatra miasa ao amin'ny tontolon'ny fampahalalam-baovao, hiaraka amin' ireo haino aman-jery mba hitandro ny fandriam-pahalemana amin'ny fotoam-pifidianana. Tsy ho tratra ny tanjona raha tsy miray hina ny rehetra ary samy mahatsiaro ho tomponandraikitra amin` ny anjara adidiny avy. Tokony hampita vaovao amin-kitsim-po sy amim-pahamatorana ny mpanao gazety.
Legende : Nandritra ny fifanakalozan-dresaka tetsy Ibis Hotel Ankorondrano omaly
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.