Mihazakazaka be ny raharaha mikasika ireo olona ao anatin’ny lisitry ny fanjakana mikasika ity resaka fanakorontanana sy tetika hanonganam-panjakana eto amintsika ity.
Re koa izao fa hisy ihany ny fisavana ny tranon’i Jean Omer Beriziky sy ny Kolonely Charles De Favier anio. Samy ahian’ny fanjakana ho mpiara-dia amin’ny Kolonely Lylison sy ilay mpandraharaha Mamy Ravatomanga ary ilay teratany frantsay tompona hotely amin’ny fiketrehana fanakorontanana alohan’ny fetim-pirenena ny 26 jona, sy hanao izay tsy hahatontosana ny fivoriamben’ny frankofonia ireto olona ireto. Efa re fa miala any ny didy fisavana avy eo anivon’ny tonia mpampanoa lalàna-Antananarivo ka mpitandro ny filaminana avy eto an-drenivohitra ihany koa hanao ilay fisavana ao Toamasina. Mandeha mantsy ny resaka fa misy vola be misaodisaody any ho any, ka heverina fa mety mifaningotra amin’izany izy mirahalahy ireto, izay ny iray mahay tsara ny zava-nitranga nandritra ny tetezamita, ilay kolonely kosa dia noho izy mpiara-dia mafana fo amin’Atoa Ravalomanana Marc izay efa mampitahotra ny fanjakana ihany koa ankehitriny. An-kilan’ireo, dia fantatra ihany koa izao fa anisan’ny araha-maso akaiky ihany ny Jeneraly Ndrianarijaona André lehiben’ny etamazaoro jeneralin’ny tafika nandritra ny fitondrana tetezamita, ary aniasan’ireo miaramilan’ny Capsat voalohany niara-dia tamin’i Andry Rajoelina.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.