Fikatsahan-tseza sy fiarovana izany

> Mampiasa volabe hisehoana amin’ny haino aman-jery ny mpanao politika


  • Alakamisy 05 Septambra 2013

Mafy tokoa izany mbola te-hitazona ny hena antanan-tsaka izany fa dia miharihary toy ny kary am-pamoloana ankehitriny ny fihetsik’ireo mpitondra ny tetezamita eto amintsika miady mafy amin’ny fifikirana amin’ny seza, hoy ireo andiana tanora mivondrona ao amin’ny Malagasy Mpandinika ny Raharaham-Pirenena.

Niaraha-nahita ny zava-niseho tany Fianarantsoa farany teo, hoy ireto tanora ireto, ka nitsapan’ny kandidà Hery Rajaonarimampianina ny halalin-drano tany an-toerana niaraka tamin’ireo mpifikitra amin’ny seza voalaza tery ambony.  Nijoro teo anilan’ity kandidà ity avokoa mantsy, hoy ny fanamarihan’ireto mpandinika ireto, ireo “olo-malaza” mpanjakazaka amin’ny haino aman-jerim-panjakana mba tsy hilazana hoe ny mpanao didy jadona ao, ireo voarohirohy tamin’ny raharaha fanondikodim-bola, ny mpamadika palitao ihany koa , sns… sns…. Dia tena fampielezan-kevitra mialohan’ny fotoana ê ! Niraradraraka ny vola mba hoentina manamaro isa ny mpanotrona. Etsy ankilany, Ingahy CST Alain Ramaroson dia nandany volabe mihitsy niakatra tamin’ny fandaharana manokana tamin’ny fahitalavitra tato ho ato, manadio tena sy te-hiseho amin’ny vahoaka manambara fa mijoro indray hiady amin’ny tsy rariny.

Rariny inona moa no tadiavin’ny mpibodo fananan’olona, hoy ny Malagasy Mpandinika ny Raharaham-Pirenena ? Hatramin’izay ity lehilahy ity nandray anjara tamin’ny fanakorontanana foana  ka rehefa  lany  ve ny paiso an-kady ary mitady hitsikafona ny resaka maloto dia avo vava indray ? Fampiesonana vahoaka  izany aminay. Dia mbola ampiasaina  koa ny anaran’ny fianakaviana maty mba hamohazana  ny fota-mandry sy mba hamendrofendroana ny Malagasy izay efa reraky ny fiainana ary leo ny Krizy lava reny.  Raha fintinina dia tadiavin’ireo mpitondra isan-tsokajiny tsy ankanavaka anatin’ity fitondrana tetezamita ity ny hevitra rehetra mba ahazoana mijanona ela eo amin’ny seza sao ho very fihinanana eo. Mitsinjo vahoaka aho ê mitsinjo vahoaka nefa mitsentsitra azy aza no tena atao isan’andro vaky izao. Soa fa efa vahoaka mahiratra ny Malagasy, tsy azo fitahina intsony.

 

Sammy

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT