Politique

Fikasana hisambotra ny filoha Ravalomanana Mampitandrina ny Emmo-Reg ny vahoakan’ny Magro


  • Alakamisy 01 Desambra 2011

“Tsy mampaninona na manana ny didy fampisamborana sy ny basy aza ianareo fa izahay manana ny vahoaka”, hoy i Ignace, solontenan’i Moramanga tonga tetsy amin’ny kianjan’ny Magro omaly.

 Fihantsiana ady amin’ny vahoaka Malagasy ny fikasana hisambotra ny filoha Ravalomanana, hoy ihany izy. Raha vonona amin’izany ireo milaza ho manana ny fahefana dia ataovy ny fisamborana raha sahy, hoy ihany izy. Niantso ny praiminisitra Beriziky koa ny tenany mba handray andraikitra satria eo ambany fiadidian’ny praiminisitra ny mpitandro filaminana, hoy ihany ingahy Ignace. Niantso moa ny tenany mba ho avy marobe, avo folo heny mihoatra noho ny tamin’ny 19 febroary 2011 efa nitsenana ny filoha. Tsotra ny an’ireo mpitolona etsy amin’ny Kianjan’ny Finoana dia ny fiverenan’i Marc Ravalomanana an-tanindrazana sy ny fahafahany hilasataka hofidiana ho filoham-pirenena. “Raha sanatria ka noho ny ataonareo no tsy hahatafody ny filoha eto dia rava ny androtr’iny ihany io fanjakana io”, hoy i Guy Maxime Ralaiseheno satria tsy an’i Andry Rajoelina sy ny manodidina azy i Madagasikara fa an’ny Malagasy.

Tetsy andaniny, nitondra fanazavana momba ny tsy hidiran’ny ankolafy Zafy Albert ao anatin’izay rafitra hajoro eo ingahy Camille Mektoub. Tarigetra, hoy izy, ny hiverenan’ny ara-dalàna sy ny hiverenan’ny filoha Ravalomanana. Hatreto aloha dia tsy mbola nisy tanteraka ireo ary ny fidirana ao anatin’izay rafitra eo dia midika ho fampirisihana ny tsy fanarahan-dalàna. “Fahadisoana be vava ny fidirana ao satria isika no asaina tsy manara-dalàna sy mandika ny sori-dalana, tsy hanaja ihany koa ireo raiamandreny mpitarika”, hoy ihany i Camille Mektoub. Ohatra nosinganiny moa amin’ny tsy fanajana ny lalàna ny andininy faha-6, milaza ny tokony hitsinjarana ireo toerana amin’ny rariny sy mitovy.

“Ny zava-misy dia sady tsy rariny no tsy mitovy ny fitsinjarana natao”. Momba ny fikasana hisambotra ny zanaky ny filoha Ravalomanana ka hialokalofan’ity farany any amina masoivoho vahiny iray eto an-drenivohitra dia nambaran’ity solombavambahoakan’i Mananjary teo aloha ity fa izany no “vavolombelona eo anatrehan’izao tontolo izao fa tsy manaja ny sori-dalana ny FAT izay mandady amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena hahazoana ny fankatoavana iraisam-pirenena”. Nambarany ihany koa fa ho avy tsy ho ela ny andro hahatongavan-dRavalomanana an-tanindrazana. Tsy hitsena fe hitsena fotsiny ihany ireo mpomba azy amin’io fotoana io fa dingana iray hanatanterahana ny TSARA na ny tetezamita tsy misy an’i Andry Rajoelina ary ny fihaonana eo amin’ireo filohana ankolafy izay fotoana izay.

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT