Politique

Fikasana hisambotra an’i Marc Ravalomanana “Vao mainka loza no hitranga”, hoy i Honoré Rakotomanana


  • Zoma 23 Septambra 2011

Tsy misy fifanarahana mikasika ny ara-pitsarana eo amin’i Madagasikara sy Afrika Atsimo, miankina amin’i Afrika Atsimo raha toa ka hanome alalana hisamborana ny filoha Ravalomanana ity firenena ity, hoy i Honoré Rakotomanana, mpahay lalŕna ary mpikambana ao amin’ny Raiamandreny Mijoro.

 Raha ny fahitany ny fikasan’ny FAT hisambotra ny filoha Marc Ravalomanana dia karazana fanafihana mihitsy no hataon’ireo izay hanatontosa izany, indrindra raha tsy nanome alalana i Afrika Atsimo. Soso-kevitra natolony ny tokony hanaovan’ireo hamita iraka tatitra fotsiny hoe tsy nanome alalana i Afrika Atsimo. Raha ny re, hoy ihany i Honoré Rakotomanana dia nangataka “dérogation judiciaire” ny fanjakana malagasy. Miankina indrindra amin’i Afrika Atsimo ny ho tohin’izay, hoy izy. Atahorana manko, hoy hatrany i Honoré Rakotomanana ny hivadihan’izany fihetsika fisamborana izany ho lasa ady ara-diplomatika satria herisetra ary fihantsiana ady amin’i Afrika Atsimo sy ny SADC ka dia ho vao mainka loza no hitranga.

 

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT