Politique

Fikarakarana ny Frankôfônia Nailika i Lalao Ravalomanana ?


  • Zoma 25 Martsa 2016

Vao manomboka dia efa mifanosihosy ! Namarika an’ity herinandro ity ny fitsidihan’ny Sekretera jeneralin’ny Frankôfônia Michaelle Jean teto Madagasikara, ka nitokana ny biraon’ny

 

Frankôfônia aty amin’ny ranomasimbe indianina teo Antaninarenina sy ny Zoma Frankôfônia teny Andohalo. Malaza ho manaja vahiny moa ny Malagasy koa dia izy angamba izany no nohasohasoana, dia mikisakisaka ery daholo ny Malagasy raha tsy hoe efa izay mihitsy kosa no toromariky ny avy eny Iavoloha.

Nanaitra ny maro ihany mantsy ny tsy mba nahitana ny Ben’ny tanànan’Antananarivo, Lalao Ravalomanana tamin’ny hetsika rehetra niseho. Nasaina izy fa tsy tonga sa natao ambohom-pefy ? Raha tonga nitsidika teto ny Sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana, Kofi Annan mivady, ny volana febroary 2007 dia nandray azy ary nanolotra ny fanalahidin’ny tanàna taminy ny Ben’ny tanàna, Ramiaramanana Patrick. Marika fa tonga soa eto amin’ny tanàna, ary misokatra midanadana ho azy ny tanàna.

Dia voalohan-dRtoa Michaelle Jean teto Madagasikara ny tamin’ny talata sy alarobia iny. Sahaza azy fandraisana toy izany, vehivavy toa azy rahateo ny Ben’ny tanànan’Antananarivo, saingy entin’ny hambo politika moa ny mpitondra HVM ka dia ireny no zava-nitranga.

Manan-tompo anefa ny tanàna, ary eto amin’ny tanànany no miseho ny zava-drehetra ka mba mampieritreritra ihany raha toy izao hatrany no hifampitondrana eto. Amin’izay indray ka tamin’ny fotoana nahatongavan’ity Sekretera jeneralin’ny Frankôfônia Michaelle Jean ity teto Madagasikara no nampidiran’ny mpikarakara ny fampiantranoan’i Madagasikara ny fihaonambe faha-16 ny Frankôfônia ho anisan’ny komity. Sa fihatsarambelatsihy fotsiny ihany izany ?


Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT