Politique

Fikarakarana ny fifidianana Tsy hanome vola ny Amerikanina


  • Alakamisy 28 Febroary 2013

Nitsidika ara-pomba fifanajana ny filohan’ny CENI-T, Atallah Béatrice, teny amin’ny birao fiasany teny Alarobia omaly, Atoa Marc Carr, mpiasam-panjakana ambony avy ao amin’ny departemantam-panjakana Amerikanina, misahana ny faritra atsinanan’i Afrika.

 Niarahaba ny CENI-T tamin’ny fivoaran’ny asa moa ity vahiny ity ary nilaza tamin-dRamatoa Atallah Béatrice fa mety ho azo eritreretina ihany ny hanampian’i Etazonia antsika amin’ny fikarakarana ny fifidianana. Nomarihan’i Marc Carr tsara anefa fa tsy handray anjara mivantana amin’ny fandrotsahana vola ao amin’ilay “Basket Fund” ny Amerikanina fa kosa mety ho avy eto ireo ONG na fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakana, hiara-miasa amin’ny CENI-T amin’ny resaka fanabeazana sy fanentanana ny mpifidy, sy eo amin’ny resaka fanjakana tsara tantana.

Tsara homarihana fa herinandro lasa izay dia efa nihaona tamin’ny filohan’ny CENI-T ihany koa ry zareo avy ao amin’ny Fondation Carter, ilay fikambanana noforonin’ny filoha Amerikanina teo aloha Jimmy Carter, ary efa nilaza ity fikambanana ity fa afaka mandefa mpanara-maso ny fifidianana eto Madagasikara. Tsikaritra amin’izao fihetsika izao fa mailo ny Amerikanina ary tsy mirobaroba mandrotsaka vola ho an’ny zotram-pifidianana eto amintsika, fa mirotsaka amin’ny asa mivantana, ary fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakana no ho avy eto, izany hoe tsy miditra mivantana mihitsy amin’ny fanohanana ny fifidianana izany aloha hatreto ny fanjakana Amerikanina. Ary tena mazava ny resaka eto fa tsy hanome vola ny Amerikanina fa fanampiana ara-torohevitra no tena hataon’izy ireo sy hozarainy amin’ny CENIT.

 

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT