Tonga nitsidika ny filohan’ny CENI Rakotomanana Hery teny amin’ny birao fiasany teny Alarobia omaly maraina Rtoa Véronique Vouland-Aneini, masoivoho Frantsay eto amintsika.
Nanamafy ny fahavononan’i Frantsa hanampy sy hanohana an’i Madagasikara amin’ny fanatanterahana fifidianana madio sy mangarahara ity diplaomaty ity no sady nampatsiahy ny andraikitry ny CENI amin’ny fametrahana ny fahamarinan-toeran’ny demokrasia. Hatry ny ela no efa nanohana an’i Madagasikara ary mbola hanohana azy amin’ny fanatanterahana ny fifidianana niaraka tamin’ireo mpiara-miasa rehetra i Frantsa, hoy Rtoa Véronique Vouland-Aneini. Nankasitraka izany tolo-tanana izany ny filohan’ny vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) Hery Rakotomanana. Tsiahivina ihany fa 8 000 006 ny isan’ny mpifidy voasoratra anarana ao amin’ny lisi-pifidianana taorian’ny fanavaozana farany natao ny volana aprily lasa teo. Niaiky ny filohan’ny CENI fa tsy mbola ampy io satria tokony ho 10 tapitrisa mahery ny mpifidy eto Madagasikara. Nanamafy izany ny avy ao amin’ny KMF/Cnoe ary nanambara fa tsy tafiditra anaty lisi-pifidianana ny 25%-n’ny Malagasy tonga taona, ary ny 10%-n’ireo indray aza dia tsy manana kara-panondro. Midika izany fa goavana ny asa miandry eto ary ilana ny fiaraha-mientan’ny rehetra dia ny CENI, ny fitondram-panjakana, ireo mpiara-miombon’antoaka sy mpamatsy vola, ny firaisamonim-pirenena, ny orinasan-tserasera sy fanaovan-gazety maro samihafa.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.