Nampahafantarin’ny avy eo anivon’ny vaomiera misahana ny fifidianana na ny CENI tetsy amin’ny biraony etsy Nanisana omaly fa miverina misokatra indray mandritry ny 20 andro ny lisi-pifidianana ahafahan’ireo mpifidy voasoratra anarana
manamarina ny anarany sy manitsy izany raha sanatria misy tsy fahatomombanana. Nitombo 2,53% ireo mpifidy voasoratra anarana hiatrika ny fifidianana depiote sy ben’ny tanàna ho avy izao, raha ny voambara, satria mitotaly 10.154.639 isa izany ankehitriny manerana an’i Madagasikara raha 9.903.915 tamin’ny farany teo. Mampametra-panontaniana ny mpanara-baovao moa ny hoe nitombo tokoa ve sa nampitomboina ireo tarehimarika ? Ny mahagaga dia maninona no any amin’ireo faritra tena heverina ho lavitra andriana no nahitana taham-pitomboana avo ? I Bongolava, ohatra, dia nahitana taham-pitomboana 5,55%. 2,7% ny ao SAVA raha toa ka 2,21% ny eto Analamanga ary 2,61% ny ao Vakinankaratra. Mampiahiahy sahady araka izany ny fikarakarana manaraka.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.