Politique

Fikarakarana fifidianana “Hainay io !”, hoy Rakotonarivo Thierry


  • Zoma 23 Martsa 2012

Hanamarika ity andro anio ity ny fifidianana izay ho filoha hitantana ny vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana mandritra ny tetezamita na CENIT. Ihazakazahana fatratra io toerana io. Inona no antony ? Nisy ny dinika niarahana tamin-dRakotonarivo Thierry, filohan’ny Sendikan’ny Administratera sivily, araka izao manaraka izao.

 Tia Tanindrazana (TT) : Miady mafy ny toeran’ny filohan’ny CENIT ianareo administratera sivily. Inona loatra no antony mampisisika anareo ? 

Rakotonarivo Thierry (RT) : Izahay administratera sivily irery ihany no afaka milaza fa manana ny fahaizamanao momba ny fikarakarana ny fifidianana. Ny fanaraha-maso no hain’ny fiarahamonim-pirenena, raha ny fitsarana izay mety ho olana ateraky ny fifidianana kosa no andraikitry ny mpitsara. Sady tsy fanaraha-maso no tsy fitsarana anefa no andraikitry ny CENIT fa fanomanana fifidianana. Te hanaporofo izany izahay fa hainay io, nianaranay io ary farany dia te hitondra ny anjara birikinay ihany koa izahay amin’ny famahana ny krizy satria fifidinanana tsara karakara sy madio no hany antoka mahatafavoaka antsika. Izay no mahatonga ilay masontsivana hoe olona manana traikefa 15 taona momba ny fifidianana no filohan’ny CENIT.

T.T : Ny fifidianana rehetra tao anatin’ny 50 taona dia nisy nanohitra hatrany. Voalaza fa misy foana ny hala-bato. Ianareo administratera sivily anefa no tomponandraikitra ao amin’ny ministeran’ny atitany izay nikarakara ireny fifidianana ireny ?
R.T : Raha nisy ny hala-bato dia ny mpanao politika no tompon’antoka tamin’izany izay mampiasa ny volany hividianana ireo mpikambana ao amin’ ny birao fandatsaham-bato sy ny delegen’ny kandida. Izahay administratera sivily kosa dia marihina mazava fa tsy nandray anjara mivantana amin’ny fifidianana manomboka any amin’ny birao fandatsaham-bato ka hatramin’ny famoahana ny valim-pifidianana. Sady tsy mameno ny fitanana an-tsoratra izahay no tsy manatitra azy ireny eny amin’ny vaomiera fanisam-bato na CRMV. Tsy misy administratera sivily koa ao amin’ny CRMV na ao amin’ny HCC. Aza hadino fa tomponandraikitra koa ny vahoaka amin’ny tsy fandehan-javatra noho ny tsy fandraisana andraikitra. Efa fotoana farany foana vao mijery ny anarany ao amin’ny lisi-pifidianana.

T.T : Tena madio izany ianareo hatrizay ?
R.T: Ny mety ho tsininay dia noho izahay henoin’ny olona teny. Manatona ny “Sous-Prefet” na lehiben’ny Distrika ny vahoaka rehefa misy fifidianana, maka hevitra momba izay kandida tokony hofidiana. Raha misy amin’ireo tomponandraikitra ireo kosa anefa manao hala-bato dia mety ho noho ny teritery no anaovany izany.

T.T : Azo antoka izany fa hadio ny fifidianana raha administera sivily no lany ho filohan’ny CENIT eo ?
R.T : Efa niteny foana izahay fa tsy hanaiky lembenana manoloana ny tsy fandehanan’ny raharaham-pirenena. Manan-trosa aminay izay kandida atolotray eo satria izahay administratera sivily no nifidy azy. Raha sanatria tsy manao ny asa araka ny nankinina taminy izy dia hovasohinay imasom-bahoaka ary asainay soloina.

T.T : Manana kandida izany ianareo ? Iza amin’ireo administratera sivily 7 mpikambana ao amin’ny CENIT ilay izy ?
R.T : Ralaiariliva Ndriana Mamy.

T.T : Notakian’ny sendikan’ireo mpiasam-panjakana sy teknisianina ambony izay misy anareo hatrany ny fanoloana ireo Lehiben’ny Faritra mba hampadio ny fifidianana. Tsy mbola tanteraka izany ankehitriny nefa ny fifidianana efa antomotra. Ianareo koa anefa toa nangina tsy nitaky an’io intsony ?
R.T : Niteny foana izahay ary mbola mitaky izany hatramin’izao. Tokony hohavaozina avokoa ny solontenam-panjakana any amin’ny Faritra fa tsy atao mpanao politika intsony.

T.T : Mbola tratra ve ny fanatontosana fifidianana amin’ity taona ity dia fifidianana tahaka ny ahoana no ahazoana antoka hivoahana amin’ny krizy ?
R.T : Efa misy ny lisi-pifidianana vita tamin’ny 31 jolay 2011 izay ekena tokoa fa tsy lavorary saingy azo hiaingana. Mbola tratra tsara ny fe-potoana raha atomboka izao ny fanavaozana.
Mbola afaka manao fifidianana isika hatramin’ny faran’ny volana novambra. Miavaka kosa ny fifidianana hatao eo satria ny fivoahana amin’ny krizy no tanjona. Tsy tokony hifanalavitra amin’ny fifanarahan’ny mpanao politika sy ny lanjan-kery ara-politika ny fomba fitondrana azy sy ny valiny. Tahaka ireny tamin’ny taona 1991 ireny dia nisy fifanarahan’ny mpanao politika. Raha mivoaka amin’io fifanarahana io anefa ny valiny eo dia mbola hitohy ny krizy. Ny olana ihany koa dia tsy misy ilay “consensualité” sy “inclusivité” satria tsy ao anatiny ny sasany.

T.T : Misy milaza fa mamboly korontana ianareo sendika ireo izay mifandimby mitokona. Ny fahitanao izay ?
R.T : Sady tsy mamboly korontana izahay no tsy mitady seza fa ny tsy fahavononan’ny politisianina hifampidinika no mitarika ny olana.

Nangonin’i  Yves

 Sary : Rakotonarivo Thierry, filohan’ny Sendikan’ny administratera sivily

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry DieudonnĂ© Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT