Politique

Fikaonandoham-pirenena Hevitra miafina hanovŕna ny lalampanorenana ?


  • Alatsinainy 21 Jolay 2014

Fifanandrifian-javatra ihany sa planina efa maty paika ny nirosoana tamin’ny fifidianana ireo mpikambana roa solontenan’ny Filankevitra ambony momba ny mpitsara ho ao amin’ny Fitsarana avo momba ny lalŕmpanorenana sy ny hanatanterahana fikaonandoham-pirenena momba ny fitsinjaram-pahefana mandritra ny roa andro hanomboka anio eny amin’ny efitrano fanaovana fivoriana iraisam-pirenena Ivato

Mba hahatsotra ny resaka dia ndeha hoheverina fa tafiditra amin’ny lojikan’ny fanovana ny fifidianana eo anivon’ny Filankevitra ambony momba ny mpitsara fa efa lany fetr’andro iasana sady tsy azo havaozina rahateo ireo mpikambana ao amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana. Fa ny amin’ity fikaonandoham-pirenena naroso tampotampoka teo, ka tsy mbola nandefasana teny amin’ny Antenimieram-pirenena ny lalàna mifehy ny fifidianana Ben’ny tanàna sy ny mpanolotsain’ny tanàna, no ahazoana antoka fa tsy tongatonga ho azy fa misy tanjona kendrena ao. Manindry mafy ny minisitry ny atitany Mahafaly Solonandrasana ny amin’ny hoe : inona marina no tiantsika hatao amin’ity fitsinjaram-pahefana ity ? Matoa mipetraka ny fanontaniana dia tsy mazava izany ny voalazan’ny andininy faha-151 sy faha-152 ao amin’ny lalàmpanorenana raha tsy hitanisa afa-tsy ireo, izay mahakasika indrindra ny Kaominina, satria mialoha ny fifidianana kaominaly rahateo koa no mipoitra ity fikaonandoham-pirenena ity. Ny mpandinika politika anefa dia mahita fa kazaran’ny fombafomba ihany ity fikaonandoham-pirenena hatao ity fa efa misy zavatra tiana hahatongavana any, izay hitarika mankany amin’ny fikitihana lalàmpanorenana. Ny minisitry asa vaventy sady filoha nasionalin’ny antoko MTS, Roland Ratsiraka aza moa no efa nahateny fa ilaina ny fanaovana io fikaonandoham-pirenena io. Raha ny lalàna manankery ankehitriny anefa dia tsy maintsy amin’ny alalan’ny fitsapan-kevi-bahoaka irery ihany no ahafahana mikitika lalàmpanorenana. Eo no hiverenana amin’ilay hoe : tsy tongatonga ho azy ny firosoana amin’ny fanovana ireo mpikambana eo anivon’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana fa ao raha : hanamora ny asa rehetra e ! 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT