Raha ny fihaonana sy fikaonan-doha natao teto no ahitam-bahaolana dia efa ela ity Madagasikara ity no nandroso ary isika mihitsy aza no mety nosy natanjaka indrindra taty amin’ny ranomasimbe Indiana. Maro ireo fivoriana, fihaonana, atrikasa, fikaonan-doha, famelabelaran-kevitra natao fa dia izao mbola mahantra izao ihany ny Malagasy
Olom-bitsy no miha manankarena, arodana ny fanjakana, apetraka ny fanjakana fa dia ny teo ihany no miverina, tsy mety mivaha ny olana. Misy fikaonan-doham-pirenena indray atao manomboka anio eny Ivato eny, araka ny fanapahan-kevitry ny mpitondra tamin’ny herinandro iny koa dia hisy olona , milaza azy fa solontenan’ny Malagasy indray hamoaka hevitra eny. Tsaroana anefa fa efa nanao fihaonambem-paritra sy fihaonambem-pirenena tao anatin’ny tetezamita, efa nisy fihaonamben’ny mpanao politika, hatramin’ny foloalindahy ary dia efa nivory ihany koa, fa tsy hita ihany izay fitoniana sy filaminana ; toa vao miha aza nisavorovoro ny tontolo politika. Fanjakana marefo no mijoro. Ary mba mahagaga ihany ilay hoe hevitra tapaka ny talata na alarobia ve, dia ny alatsinainy aorian’io dia efa misy solontena isam-paritra sahady tonga eto Antananarivo, fa hoe solontenan’ny Malagasy, hono. Moa va tsy io fakan-kevitra maimaika io ihany no efa nanimba zavatra teto ? Raha tena hanao fihaonambem-pirenena tokoa, nahoana no tsy tamin’ny volana janoary dia efa niomana ho amin’izany ary nampiomana ny isam-pokontany mba hisafidy malalaka ny tena solotenan’ny vahoaka marina handray anjara amin’izany ? Ny solombavambahoaka efa tsy hita be ihany izay maha mpitondra tenin’ny vahoaka azy, ity indray fa mety mbola olom-boatendry tany ambadibadika tany no hitondra ny hevitry ny vahoaka ao anatina fikaonan-doham-pirenena sampona. Izany ve no hoe hanohy ny fampihavanam-pirenena sy hametraka ny fitoniana e ? Sa efa tena kajy politika misy ifandraisany amin’ilay fifidianana ben’ny tanàna izy ity, ka natao fotsiny aloha mba hanosehana ny kandidam-panjakana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.