Nanomboka omaly ary hifarana anio any Paris, renivohitra Frantsay ny fikaonan-doha iarahan’ny mpitondra Malagasy sy ireo mpamatsy vola
. Mitarika ny delegasionina ny filoha Hery Rajaonarimampianina arahina minisitra 13. Tanjona ny handresy lahatra ny mpamatsy vola hamatsy ireo tetikasa 50 ambara fa mipaka mivantana amin'ny fiainam-bahoaka mitentina 3,7 miliara dolara ao anatin'ny 5 taona. Raha ny akom-baovao azo avy any an-toerana dia neken’ny mpamatsy vola ny hampindrana 6 miliara dolara an’i Madagasikara, izay azo lazaina ho mihoatra ny notadiavina. Fepetra maro kosa no napetraky ny mpamatsy vola dia ny hisian’ny fifidianana mangaraharaha amin’ny 2018 sy ny fitoniana politika eto amin’ny firenena. Hisy fiantraikany mivantana amin’ny fiainam-bahoaka ve izany sa ho toy ny trosa efa nampibabena ny firenena hatramin’izay ihany ? Fandre sy fahita matetika ary ankalazaina mafy ny fahazoan’ny mpitondra vola avy any ivelany, fa fampiasana sy ny fandaniana izany dia maizina tanteraka. Ireo solombavambahoaka natao hanara-maso sy hitatitra any amin’ny vahoaka rahateo toa tsy mahefa. Efa hatramin’izay isika no nitrosa ary nahazo tokoa saingy mbola izao ihany no fiainan’ny Malagasy, ka tsaratsara kokoa raha mitady hevitra hafa raha tena misy marina ny finiavana hampandroso.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.