Tsy mitsahatra mitombo ny tsy fitovian-kevitra eo amin’ireo mpikambana FIZAFATO amin’izao ankatoky ny hanatanterahana ny fifidianana voalaza fa ho tanterahina amin’ny alahady 6 aogositra izao etsy amin’ny ANS Ampefiloha.
Raha nanao fanambarana omaly ny mpikambana Fizafato avy amin’ny foko Antandroy ny amin’ny tsy fankasitrahan-dry zareo ny hanatanterahana ity fifidianana ity dia vondrona mpikambana 2 be izao kosa no nanatanteraka ny azy omaly 03 aogositra tetsy amin’ny Telozoro Andrefan’Ambohijanahary ihany. Ny voalohany dia ry zareo ao amin’ny FITA ANDROY na Fikambanan’ny Terak’Androy nosoloin’Atoa isany Votonambo dit Mosa sy Dany Narcisse na i Nary tena izay nilaza mazava fa manohana ny kandidà Maharante Jean de Dieu ka manohana an-kitsirano ny hanatanterahana ny fifidianana. Amin-dry zareo dia sabôtazy ny fanakanana an’ io fifidianana io tsy hatao ary efa fantatry ny an-kilany fa tsy ho lany izy dia izao mihetraketraka izao. Marihana fa mba hisian’ny firaisan-kina matotra any Atsimo no nananganana ny Fizafato. Ny vondron’olona faharoa izay nanao fanambarana omaly ihany koa dia ny Vondron’ny tanora zanaky ny Faritr’i Toliara mbola mpikambana feno eo anivon’ny Fizafato ihany koa nahitana an’i Paul Ricky sy Kotoniaina ary i Mahavizara Gaëtan izay mitaky koa ny hanatanterahana ny fifidianana filohan’ny Fizafato vaovao fa efa tamin’ny 2012 no nisy fifidianana farany nefa tokony hatao isaky ny 2 taona izany. Efa hatramin’ny volana febroary 2017 ry zareo ireto no nanomboka nitaky ny hanaovana an’io fifidianana io. Izy ireto kosa dia nanambara fa tsy miandany na ao ambadiky n’iza n’iza, na Maharante Jean de Dieu, na i Andrien Ladislas, na Andriamanarivo Berkley, amin’ny raharaha ity fa mba ho fitaratra hoan’ireo zandry any afara no nanaovan-dry ataon-dry zareo an’izao.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.