Politique

Fikambanan’ny Tangalamena “Aleo hataonay ny fampihavanam-pirenena”


  • Zoma 14 Febroary 2020

Mbola mitombina ny fanaovana fampihavanam-pirenena araka ny fomba maha Malagasy, hoy ny fikambanan’ny Tangalamena eto Madagasikara.

 

 

 

Tsy maintsy miverina amin’izany ny firenena iray raha te handroso, hoy Ramandimbison Paul, filohan’ny fikambanana.  Io ihany no mitondra fihavanana eto Madagasikara fa tsy fihavanana nankinina tamin’ny rafi-panjakana toy ny filankevitry ny Fampihavanam-pirenena (CFM) na fihavanana kisarisary ambony latabatra. Lasa kajikaly politika ny fomba hitondrana ny fampihavanam-pirenena eto amintsika, hoy ny fikambanan’ny Tangalamena. Misy ny antso avo nataon’izy ireo amin’ny filohan’ny repoblika amin’ny fanomezana azy ireo ny fitarihana ny fanatanterahana izay fampihavanam-pirenena.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT