Nihaona tamin’ny filohan’ny FFM, Maka Alphonse tetsy amin’ny birao fiasany tetsy Ampefiloha ny faran’ny herinandro teo ny Fedep na ny Federasion’ireo gadra politika Malagasy notarihan’ny filohany Rakotomalala Henri na i Riribe. Miantsoantso fitoniana ny FFM ankehitriny, hoy izy ireo, nefa tsy hita izay fanapahan-kevitra tena raisiny.
Nambarany fa efa hatramin’ny taona 2013 ny Fedep no nivoy fitoniana ka nahatonga an’i Madagasikara nilamina toy izao ny vokatra tamin’izany. Nambarany ihany koa fa tsy misy afa-tsy ny lalàna 2016-037 mikasika ny fampihavanam-pirenena no vahaolana amin’ny fitoniana eto amintsika. Nandroso soso-kevitra tamin’ny FFM hanatanterahana fampihavanam-pirenena omaly ny Fedep dia vahaolana miompana amin’ny dingana 3 dia ny fohy ezaka ahitana ny famongorana ny disadisa ara-politika misy, ny fandaminana ny resa-pifidianana sy ny fanonerana an’ireo gadra politika, ny antonony ezaka ary ny lavitra ezaka dia ny “réfondation nationale”. Mikasika ny fanonerana ny gadra politika dia efa tsy tantinay intsony ny fiandrasana lava izao, hoy i Riribe, ka angatahanay ny hivoahan’izany farafahatarany ny faran’ny volana jona 2018 alohan’ny fifidianana fa rehefa tsy homena amin’izany dia handray fepetra hentitra izahay.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.