Nivory maika ireo mpandrindra ny Vondron’olon-tsotra (VOT) any amin’ny Faritra Alaotra iny ny folakandron’ny alarobia 23 novambra teo, nandinika ny fivoaran’ny raharaham-pirenena ankehitriny.
Nivoitra tamin’ny adihevitra izay nataon’ireo solontenan’ny VOT any amin’ny Distrikan’Amparafaravola sy Andilamena ary Ambatondrazaka ny tokony hisian’ny fihaonana an-tampony eo amin’ny filoha Marc Ravalomanana sy ny filohan’ny FAT Andry Rajoelina satria izy mirahalahy mianaka ireo no fototr’izao krizy mianjady eto amin’ny firenena izao. Mahatsapa ireto VOT any Alaotra ireto fa ataon’ny mpanao politika andranandrana ny fitantanana ny firenena ka ny vahoaka madinika no lasa sorona sy fitaovana amin’izay politika maloto ataon’izy ireo izay. Ilaina, hoy ireo mpandrindra ny fikambanana vondron’olon-tsotra any Alaotra ireo ny fifampidinihina eo amin’izy mirahalahy mba hikarohana vahaolana maharitra amin’ity krizy efa mamotika ny fiainan’ny Malagasy ity. Lavin’izy ireo, araka izany, ny governemanta izay natsangana tamin’ny alatsinainy 21 novambra teo, satria tsapa hoy ireto mpandrindra ny VOT ireto fa mbola ingahy Andry Rajoelina ihany no nifidy izay ho minisitra fa tsy ny praiminisitra izay nambara fa tokony hifantina izany. Na hosoloina im-piry aza ny mpikambana ao amin’ny governemanta kanefa tsy hifanarahan’ny rehetra dia mbola ho nofinofy ny hahazoana fankatoavana.
Koa miantso ny filohan’ny FAT sy ireo mpomba azy ry zareo VOT any Antsihanaka mba hampandefitra ny hambom-pony ka hanaraka marina izay voalaza ao amin’ny tondrozotra dia ny famelana ireo sesitany politika hiverina eto an-tanindrazana, anisan’izany ny filoha Marc Ravalomanana. Tokony havoaka avokoa ireo gadra politika nandritra ity krizy 2009 ity, hoy izy ireo ary sokafana ireo haino aman-jery nakaton’ny FAT noho ny raharaha politika. Rehefa tanteraka ireo rehetra ireo dia hapetraka ny fiaraha-midinika mba ho fametrahana ny tetezamita tena izy izay hamaritra ny fotoana hanatanterahana ny fifidianana. Samy afaka mandray anjara amin’ny fanarenana ny firenena Malagasy amin’izay fotoana izay ny rehetra ka tsy hisy intsony ny fifanomezan-tsiny. Miantso ny Malagasy rehetra mbola hanohy ny tolona hatrany moa ireo mpandrindra ny fikambanana Vondron’Olon-Tsotra any Antsihanaka ireo mandrapahatonga ny filoha Marc Ravalomanana eto Madagasikara.
Niry A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.