Fifidianana manakaiky vahoaka ny fifidianana ben’ny tanàna izay atsy ho atsy, hoy ny filohan’ny fikambanana VAR, Jerry Rakotoarijaona.
Ny fikambanana Vahaolana anio sy rahampitso dia manentana hatrany mba ho tonga mifidy fa hanenenana io tsy mifidy io, hoy izy. Izahay moa dia hanontany mihitsy ny antony nampalaina ireo olona tsy tonga nifidy mba hahafahana manome soso-kevitra hisorohana izany fahalainana izany. Ankoatr’izay dia manentana sahady hoe aza sodokan’ny fizarana fanamiana sy vary sy hena na zavatra hafa fa mba jereo ny foto-kevitra sy praograman’ilay olona fidiana, hoy hatrany izy.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.