Fikambanana iray efa mijoro ara-panjakana ary nanatanteraka asa maro toy fitetezam-paritra ny fikambanana “Vahaolana Anio sy Rahampitso” (VAR)
tarihin’ny filoha nasionaliny Randrianjafy Elidio. Nihaona mivantana tamin’ireo mpikambana eto amin’ny Faritra Analamanga izy ireo ny sabotsy teo nitondra ireo soso-kevitry ny mpikambana avy any amin’ny Faritra hahafahana manarina sy mampandroso an’i Madagasikara. Raha ny fanazavan’ny filoha nasionalin’ny fikambanana dia efa diso difotry ny fahantrana loatra ny vahoaka Malagasy ka tsy maintsy tadiavina sy hapetraka amin’izay ny vahaolana. Manana vahaolana ny VAR toy ny sosialim-bahoaka, ny ara-toekarena izay hatolony ny mpitondra fanjakana ankehitriny sy ireo olona vonona ny hilatsaka hofidiana. Tsy tsangan’olona no vahaolana fa tsangan-kevitra, hoy Randrianjafy Elidio satria manana manampahaizana maro ny firenentsika saingy mahantra olona sahy mandray andraikitra sy mametraka vahaolana hanavotana ny vahoaka Malagasy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.