Fikambanana “Taratr’i Madagasikara”

> Manohana ny kandida Dr Robinson Jean Louis


  • Sabotsy 19 Oktobra 2013

Manana ny biraony manokana mihitsy ny fikambanana «Taratr’i Madagasikara» tarihan’Atoa Andrianiarifera Malalaniana (Naina), izay entin’izy ireo hanohanana sy hampandaniana ny kandida tohanan’Atoa Ravalomanana dia ny Dr Robinson Jean Louis.

Nambaran’izy ireo fa «tena ‘favori’ ny kandida tohananay io noho ny fandaharan’asany hanohy ny MAP, Madagasikara Am-Perinasa, izay antoka tena izy amin’ny fampandrosoana marina ny firenena» ireto, fa «na manana kandida manokana amin’ny fifidianana izay ho solombavambahoaka aza izahay sy ny ankolafy Ravalomanana, dia miara-dia kosa amin’ny famerenana ny tena olona hampandroso marina ny firenena, ary miasa sy manentana ary mampianatra ny mpifidy tsy horebireben’ny hafa, fa hahay hifidy marina ny 25 oktobra ho avy izao». Ankoatra izay, dia fampivondronana ireo «Ravalomananista» tsy niaraka tao amin’ny ankolafy Ravalomanana sy ny Zanak’i Dada no antony nananganana ny «Taratr’i Madagasikara», hoy hatrany Atoa Naina satria ny tanjona dia ny «fiarahana dia fanombohana, fa ny miasa-miasa no tena fahombiazana».

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT