Politique

Fikambanana Tanora Mandray Andraikitra Fifidianana lalàmpanorenana no vahaolana


  • Alatsinainy 13 Novambra 2017

Naneho ny heviny momba ny raharaham-pirenena teny amin’ny Espace Mon Gouter Andrefanambohijanary ny Fikambanana Tanora Mandray Andraikitra (TMA), tarihin’i Tsiry Andriamihantasoa ny sabotsy 11 novambra teo.

Nambaran’io mpitarika io fa tsy hay ny hangina ary tsy hay ny tsy hiteny amin’izao zava-misy iainana ankehitriny izao. Kivy sy ketraka  ary mametra-panontaniana mihitsy hoe mbola misy fanantenana ihany ve ? Mbola misy vahaolana ihany ve ? Kivy ihany koa ny ankamaroan’ny Malagasy rehetra. Potika ny hoavin’ny tanora ary sarotra ny hanantena hoavy tsaratsara amin’izao fitondrana izao, hoy izy.  Betsaka ny tanora tsy an’asa, betsaka ny mirenireny ary betsaka ny mivarilavo. Tsy zanaka an-drenivohitra irery no tratran’izay fa na hatrany ambanivohitra any aza. Mbola azo ekena ve raha mbola izany no antenaina aorian’izao zavatra efa iainana izao ? Manjavozavo hoe mankaiza sy mankaiza marina no tena hitondrana an’i Madagasikara, hoy izy. Fifidianana lalàmpanorenana no tokony hatao ary io irery ihany no manaporofo fa misafidy lalam-baovao i Madagasikara. Tsy fitsapan-kevi-bahoaka fa fifidianana lalàmpanorenana, ka raha toa ka misafidy io hevitra io ny fitondram-panjakana  ankehitriny, dia arahaba soa arahaba tsara. Raha hizotra amin’izay isika dia tsy maintsy hovaina aloha ny lalàm-pifidianana, hatsangana ny komity manokana hiandraikitra any fitsarana sy ny famolavolana ireo lalàm-pifidianana ireo, dia mila mivondrona ny mpanao politika misy eto Madagasikara. Fifidianana miaraka amin’ny filoham-pirenena sy ny lalàmpanorenana, izay no fomba hitondrana azy, izany hoe ampiarahana ny fifidianana lalàmpanorenana sy ny fifidianana filoha. Mila manova fomba fijery sy foto-kevitra ary mila manana vina isika. Manentana ny vahoaka hahay hijery sy mahay misafidy satria miankina amin’izay ny hoavin’ny firenena. Mila manana fahefana isika fa tsy hoe manana fahefana rehefa tonga ny fifidianana na rehefa misy ilan’ny mpanao politika ihany.


Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT