Hatramin’izao, raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitra avy eo anivon’ny fikambanana Rohy, dia mbola tsy mazava mihitsy izay tena voatoatin’ny fandaharan’asan’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina.
Nanome soso-kevitra ny tenany nandritry ny fanentanana ny fiaraha-misakafo marainan’ny fikambanana tamin’ireo mpanao gazety tonga teny amin’ny hotely Colbert omaly fa tokony hisy ny fiaraha-miasan’ireo mpanao gazety izay vonona hanabe ny vahoaka amin’ny alalan’ny fampitam-baovao sy ity fikambanana ity mba hanolorana fandaharan’asa matotra ho an’ny filoham-pirenena amin’izay amin’izao sisa izao. Talohan’ity fivoriana omaly ity dia efa nisy ny fifanekena nataon’ny avy eo anivon’ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM) sy ny Rohy ary dia noraiketin’izy ireo tamin’izany fa ilaina tokoa ny manome tolo-pandaharan’asa ho an’ny filoham-pirenena io. Raha ny vaovao farany mikasika ny OJM manokana moa dia fantatra izao fa misy ny tetikasa fitetezam-paritra hampianarana ny atao hoe etika sy deontolojia amin’ny olom-pirenena mba hahafahan’izy ireo miaro tena manoloana ny olan’ny serasera ary hotanterahana ato ho ato. Tanjona fototry ny Rohy kosa ny « Hitondra hevitra sy hiaino ny tombotsoan’ny olom-pirenena manoloana ireo mpiara-miombon’antoka ».
J.M
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.