Politique

Fikambanana ProTanindrazana Hitady vahaolana matotra hivoahana amin’ny krizy


  • Talata 28 Febroary 2012

Tanjona tokana dia ny hitadiavana vahaolana matotra sy marina hanafahana ny firenena amin’izao krizy mianjady aminy izao no katsahanay amin’izao fananganana ny fikambanana ProTanindrazana izao, hoy Atoa Tintin Ravonison filoha mpanorina.

 Fikambanana niforona tao amin’ny facebook izy ity ary mpikambana maro avy amin’ny antoko samihafa no mitambatra ao aminy izay natao indrindra hananganana vondrona iray, tena tia tanindrazana, izay mametraka ambony ny fikatsahana ny tombontsoa ambonin’ny firenena. Ny 70 tamin’ireo mpikambana 700 efa mandrafitra ity fikambanana ity no tonga teny Besarety, toerana nanambarana ofisialy ny fijoroan’ny ProTanindrazana tamin’ny sabotsy teo ary nananganana ny birao hanampy ny filoha izay ahitana ny Sg : HeryTina Rand, ny mpitam-bola : Mada Economie ary ny mpitan-tsoratra Atoa Jean-Luce. Mbola misokatra ho an’ireo izay manam-piniavana ny hikaroka vahaolana mahomby hahafahana mivoaka amin’izao krizy iainantsika izao ny fikambanana ao amin’ny facebook. Filamatra ho an’ity ProTanindrazana ity araka ny nambaran’ny filohany ny hoe : « Fehezo ny teny sy ny fomba fisainan’ny mpifanandrina aminao raha te handresy azy ianao… ».

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT