Politique

Fikambanana Pro-Ravalomanana Madagasikara Mitsangana hampihavana anatin’ny famerenana ny soatoavina malagasy


  • Alakamisy 04 Aprily 2013


 Toa nofinofy sisa ny fiarahamonina malagasy mifototra amin’ny fihavanana sy firaisankina ka niavian’ny fomba fitenena hoe : « aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana » sy ny hoe « Trano atsimo sy avaratra ka izay tsy mahalen-kialofana » na koa ny hoe : « Tanan-kavia sy havanana izay didi-maharary », hoy ny fikambanana Pro-Ravalomanana Madagasikara tariha nasioaliny, Atoa Rabary Allain Dieudonné, tamin’ny famelabelaran-kevitra nataon-dry zareo tetsy Antsahalovana omaly,  fa miha potika noho ny tsy fanajana ny soatoavina ny firenena ary tena adino ny fomba amam-panao nentim-paharazana. Tsy misy famatorana intsony eto amintsika fa mifangaro voraka ny adala sy ny hendry. Mivahavaha ny fahendrena Malagasy. Manjaka ny kolikoly sy fitiavan-tena.

Manjary mifankahala isika mianakavy ary misy mandrangitra adim-poko mihitsy aza ny sasany. Marary fo ny tena manoloana izany ka tsy afaka ny hitazam-potsiny ka manao fanambarana  izahay mpikambana ao amin’ny fikambanana Pro-Ravalomanana Madagasikara fa hitsangana ary miantso ny Malagasy rehetra tsy ankanavaka, na miaramila na sivily, na saranga inona na saranga inona, na avy aiza fihaviana na avy aiza, ndao isika hampanjaka ny fahamarinana sy hamerina ny soatoavina tena Malagasy. Adidiko, adidintsika, hoy ity filohan’ny Pro-Ravalomanana Madagasikara ity, ny mamerina ity firenena ity amin’ny toerana misy azy. Manohana ny fampihavanam-pirenena anatin’ny fandalana ny soatoavina Malagasy izahay, hoy izy namarana ny teniny, ary miantso ny fifandraisan-tanan’ny filoha Andry Rajoelina sy Ravalomanana hifandray tanana, araka ny filamatra hita anatin’ny sary famantarana ny fikambananay, hifandray tanana ho fototry ny famahana ny olana eto amin’ity firenena ity. Efa nanao betsaka tamin’izany fampihavanana izany tamin’ny fitondrana fanazavana ny zava-misy teny amn’ny primatiora sy ireo masoivoho vahiny eto amintsika. Mila filoha mendrika sy mahiratra, manam-pahendrena sy mpanara-dalàna ary mahay sy tia fihavanana ny Malagasy, hoy ity fikambanana ity.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT