Nangingina tao ho ao ny fikambanana nosy Malagasy na ANM tarihin’ny filohany, Arlette Ramaroson, izay nitaky ny hamerenana ireo nosy manodidina an’i Madagasikara.
Etsy an-kilany anefa dia manomboka miseho indray ireo ady tany isan-karazany toy ny tetsy Antohomadinika sy Anosizato izay mampitaraia ireo mponina fa alain’ny karana ny tanin’izy ireo. Mikasika ireo indrindra dia nanambara ny filohan’ny ANM fa mitohy ny tolon’izy ireo mikasika io fitakiana ireo nosy manodidina ireo io. Efa izao tontolo izao mihitsy, hoy izy, no milaza fa tokony ho alaintsika ireo “îles éparses” ireo ka isika indray ve no hatoritory. Efa tsy ho ela, hoy izy, ny fivoriana any amin’ny firenena mikambana hanamafisana ny fitakiana ary azo antoka fa tsy maintsy ho azo ireo nosy manodidina ireo. Manampy ny vahoaka ihany koa ny ANM, hoy izy, rehefa resaka fitakiana ny tanindrazany ary isan’ny arahan’izy ireo akaiky io tranga eny Anosizato io. Ny mampalahelo dia tsy manam-bola akana mpisolovava ireo vahoaka. Noho izany dia ny ANM no nisafidy hirotsaka an-tsehatra hanampy azy ireo ary ho avy ny fotoana hampiharihariana ny tokony hambara momba io raharaha io, raha ny fanazavany hatrany. Hafa mihitsy kosa, hoy ity mpahay lalàna iraisam-pirenena ity ny resaka ZES na ilay velarantany manan-tsata manokana. Io dia fanomezana tany izay manana tetikasa na mpamatsy vola hiasany mandritry ny taona maro saingy tokony honeran’ilay manana tetikasa be kosa ny fampiasany ny tanim-bahoaka na ilay antsoina hoe “Dommage interet”. Raha 50 taona ny fifanarahana dia tokony ho fanonerana sahaza an’izay no omena fa tsy atao varimasaka, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.