Politique

Fikambanana Nosy Malagasy Mitaky onitra amin’ny frantsay


  • Alarobia 15 Janoary 2020

Ampiharo ny fanapahan-kevitry ny fianakaviambe iraisampirenena laharana faha-34/91 ny 12 desambra 1979 sy 35/123 ny 11 desambra 1980, manambara mazava fa i Madagasikara no tompon’ireo nosy manodidina azy ireo.

 

 

 

 Manainga ny frantsay hifanaraka haingana tsy misy hatak’andro hiala eo amin’ireo nosy Malagasy ireo. Foanana avy hatrany ny fifanarahan’ny frantsay sy karana hiambina ireo nosy ireo. Ireo, hoy ny avy eo anivon’ny fikambanana nosy Malagasy na ANM no takianay, raha nanamafy ny tolon’izy ireo mikasika ny fitakiana ireo nosy manodidina. Tsy nisy teny ierana tamin’ny vahoaka fa an’ny frantsay sy karana ny nosy Malagasy. Mitaky koa izy ireo ny hamerenana ireo vola azon’ny firenena frantsay amin’ny Malagasy tamin’ny fitrandrahana nataon’izy ireo hatramin’izay. Niara-nanazava sy nanamafy ny firaisankinan’izy ireo moa ny filohan’ity fikambanana ity, Arlette Ramaroson sy ny filohan’ny fikambanana Asandratro ny fireneko, James Ratsima, ary ny mpitarika ny tetikasa, “Madagascar pour le changement”,  Joseph Yolland. Nanamafy ihany koa izy ireo fa vonona ny hiady amin’ny fahazoana ireo nosy manodidina hatramin’ny farany ary tsy marina ny fiheverana fa karazana fandrebirebena saim-bahoaka na “diversion” manoloana ny savorovorom-pifidianana ny hetsik’izy ireo ny faran’ny herinandro teo sy ity fitakiana nosy Malagasy ity.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT