Mahatsiaro ho manana andraikitra amin’ny tsy fijerena fotsiny ny mahazo ny firenena ankehitriny ny fikambanana MTM na ny Malagasy Tsy
Mifanary izay vao niforona 2 volana teo ho eo izao ka hivondronan’ireo mpanao politika avy amin’ny Faritra rehetra manerana ny nosy avy any Avaratra ka hatrany Atsimo ary miandahy miambavy ka miantso ny filohan’ny Repoblika Hery Rajaonarimampianina tamin’ny fanambarana nataony tetsy Andrefanambohijanahary omaly handray andraikitra fa tena marary ny firenena Malagasy. Tonga ny fotoana handravana ny governemanta, hoy izy ireo fa tsy azo hitokisana amin’ny famahana ny olana eto Madagasikara intsony ireo minisitra rehetra. Mibanaka ny harem-pirenena, tsy milamina ny tanàna ary tsy hatokisan’ny mpamatsy vola isika. Tsy mila praiministra manamboninahitra intsony isika fa efa be izay lesoka hita tany aloha izay raha tsy hilaza afa-tsy ny tsy fandriampahalemana tsy voafehiny fotsiny isika. Mila olona madio sy hananan’ireo mpandraharaha teratany na vahiny fitokisana isika, olona mba tsy voarohirohy ara-potokevitra politika ary mahay mifandray amin’ny tantsaha eny ambanivohitra, praiministra tsy manindraindra adim-poko, vonona hifantoka amin’ny fihariana sy hanome asa ny tanora, olona Malagasy ray sy reny. Hitanay, hoy ny MTM, fa mahafeno ireo fepetra ireo Atoa Parick Rajaonary na dia tsy tafaresaka taminay aza. Farany dia mitaky ihany koa tamin’ity fanambarana nataony ity ny hanovana ny lalàmpanorenana Malagasy misy ankehitriny. Sonia marobe tsy hay vakiana moa no hita teo ambanin’ny fanambarana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.