5 taona izao no niorenan’ny fikambanana MAJIA (Madagasikara Antsika JIAby. Tanjona napetrak’izy ireo hatramin’izay ny hanambatra ho iray ny Malagasy manerana ny nosy.
Tokony ho antsika rehetra ny harem-pirenena. Dimy taona nisian’izy ireo dia niezaka hatrany tamin’ny fanolorana soso-kevitra ho an’ny mpitondra izy ireo hampitovy sy hampirindra ny faritra 22. Miroso mamaha olana ihany koa ny fikambanana amin’ny alalan’ny fandaharana norafetiny. Nanamarika ny fikambanana fa tsy manao politika saingy tsy manavaka ireo fikambanana te hiara-kiasa aminy ary manao antso avo ny rehetra hifarimbona amin’izy ireo ho fampitambarana ny Malagasy. Ahitana zanak’ity fikambanana ity avokoa ny faritra 22 ary misy solontenany isaky ny faritra 6. Tokana ny fandaharam-potoanan’ny fikambanana dia ny fampitambarana ny Malagasy. Ny fivondronana ihany no ahafahana miatrika ny fiainana ary izay no miteraka ny fampandrosoana, hoy ny fanamafisan’ny MAJIA.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.