Politique

Fikambanana MAFAMI sy ireo mpiaradia aminy Mitaky ny famoahana ny filohany mba tsy hisian’ny olana


  • Talata 14 Janoary 2020

Nanamafy ny fitakiana ny famoahana ny filohany, Hasimpirenena Rasolomampionona, ny fonja indray omaly ny avy eo anivon’ny fikambanana MAFAMI sy ireo fikambanana miaradia aminy.

 

 

 Mbola am-perinasa, hoy izy ireo, ny filohanay no nosamborina kanefa raha ny tokony ho izy dia matoa nambara tamin’ny fomba ofisialy fa kandida ho solombavambahoaka izy dia tokony efa natsahatra teo ny fanenjehana azy. 10 volana izy ankehitriny no tany am-ponja ary matoa izahay mbola manao antso dia hafa ihany ny miteny toy izay tsy miteny, hoy hatrany ny mpitondra teny, Fama Razafimahazo. Manantena vokatra ihany koa izahay, fara fahatarany, ny zoma izao. Tsy vao izao ny MAFAMI no nitaky ny famoahana ny filohany izay efa sady solombavambahoaka voafidy, tokony ho am-perinasa, ao Fandriana. Efa nitaky izany koa ny fikambanan’ny terak’i Fandriana sy fikambanana marobe hafa, hoy hatrany izy ireo. Nilaza kosa ny avy eo anivon’ny fikambanana Astafim, izay fikambanana misehatra amin’ny sosialy sy fanatanjahantena miaradia amin’ny MAFAMI fa mila filaminana ankehitriny ny tany sy ny firenena ka ampy izay ny fifanenjehana sy tsy fanajana zon’olombelona fa tokony ho efa fampandrosoana no jerena. Teny izay hita ho milaza amin’ny fomba hafa ihany fa mba tsy hisian’ny olana no anton’ny fitakian’izy ireo nohamafisina tetsy Tsiadana ity.

J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT