Politique

Fikambanana HAFARI Malagasy Nandefa taratasy misokatra ho an’ny Filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina


  • Alarobia 13 Aprily 2016

Nivoaka tamin’ny fahanginany ny filohan’ny fikambanana HAFARI Malagasy Rafanomezantsoa Jean Nirina manoloana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny.

 Nandefa taratasy misokatra ho an’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina ny tenany ny mba hahafahana manova sy manao zavatra  tsara kokoa eto amin’ny firenena. Nambarany mantsy fa mbola sarintsarina fahaleovantena hatrany no hiaintsika Malagasy mandraka ankehitriny na dia efa tamin’ny taona 1960 aza no nahazoana ny fahaleovantena ary vao maika mihalalim-paka ny fasaharinam-bahoaka.

RAFITRA  FOKONTANY

Hatramin’izay, hoy Rafanomezantsoa Jean Nirina dia tsy hoe tsy tia  tanindrazana ny mpitondra teto amintsika na tsy niasa (nanomboka ny taona 1960 ka hatramin’izao taona 2016  diavintsika izao)  saingy  mbola sahirana hatrany ny firenena. Antony dia misy ny karazana tambajotra lehibe eto amin’ny firenena izay tsy manaiky ny hisaraka mihitsy  fa mifampiaro  sy mifampiantso toy ny mpiara-mianatra, mpinamana, mpiray fiaviana…nefa tsy mifanitsy sy mifanoro hevitra. Ny olona vanona anefa tsy vonona hoy hatrany izy ary ny olona tsy vanona vonona, foto-pisainana mbola tena mahalatsaka an-katerena ny firenena mandraka ankehitriny. Ho an’ny Repoblika fahefatra manokana dia notsindriany fa efa in-telo niova praiminisitra sahady isika teto anatin’ny telo taona. Na hiova fanim-polony aza anefa io praiministra io hoy hatrany izy dia tsy hisy zava-banona eto raha tsy mipetraka ny rafitra Fokontany. Simba tanteraka anefa izany nanomboka ny taona 1993, hoy hatrany izy satria notendrena ny sefom-pokontany hany ka nihakely hery ny fanjakana. Rava mian-dalana ihany koa ny dinam-pokonolona  vokatr’izany, ny rafitra fokonolona…

TOKONY HOFIDIANA, OMEO NY KARAMA AMBONY INDRINDRA

Manoro hevitra ny amin’ny tokony hifidianana ny filoham-pokontany ny filoha nasionalin’ny fikambanana HAFARI Malagasy. Hangatahiny ihany koa ny hanomezana karama ambony azy ireny fa tsy karamaina toy ny karaman’ny mpiasa an-trano. Tsy mitovy amin’ny mpanao politika mantsy izy ireny, hoy hatrany Rafanomezantsoa Jean  izay mitabataba fotsiny dia voky ny vady aman-janany fa tena miasa. Any amin’izy ireny no tena kitro hifaharan’ny fampandrosoana ary mahatsiaro tena ho tompon’ny tanindrazany ny vahoaka  rehefa miverina izay rafitra izay ka tsy hisy tafavoaka intsony eny fa na dia ireny karazana hazo sarobidy izay mampitaraina ny maro ireny aza. Ohatra noraisiny ny mikasika ny fametrahana siniben-drano nataon’ny filoha teny Ankadivoribe entina hanampiana ny vahoaka tsy hilahatra paompy vao maraim-be intsony. Na misy aza anefa izany hoy Rafanomezantsoa Jean Nirina rehefa tsy ny fokonolona no mahatsapa tena ho tompon’ireny fananana ireny dia tsy hisy mpiaro ireny ary mitovy amin’ny tsy misy ihany. Tafiditra ao anatin’ny famerenana ny soatoavina izay nopotehina ho tombontsoan’ny firenena.

FANANGANANA NA NY GOVERNEMANTA VAOVAO

Nasiany resaka ihany koa ny mikasika ny  fananganana ny governemanta vaovao. Nambarany  fa tokony hisy toerana manokana omena ireo olona afaka manetsika ny hambom-pom-bahoaka ao anatin’izany. Lohalaharana amin’ireny ny olona afaka hijery ny eny ifotony hoy hatrany Rafanomezantsoa Jean Nirina izay manana “rapport de force” sy “rapport d’activité” mazava fa tsy mandeha ho azy. Izay no tsy nananan’ny fanjakana nijoro teto hatramin’izay ka tokony hianarana sy halain-tahaka. Olona roa ihany vokatr’izany no tsy afaka am-bavan’ny maro naharesy lahatra ny Malagasy hoy hatrany izy nanohy ny teniny dia ny kolonely Ratsimandrava izay nitondra ny tany sy ny firenena tamin’ny taona 1975 ary Itompokovavy Nadine Ramaroson izay samy nanome vahana ny rafitra fokonolona avokoa saingy samy lavo am-perin’asa. Ny fametrahana ny rafitra fokonolona no nampahalaza azy ireo hoy hatrany izy koa nahoana no amin’izao vanim-potoana hiainantsika izao no tsy hisy olona manam-pahaizana afaka ny hanao izany ? Amin’ny ankapobeny anefa hoy izy dia tsy olona manampahaizana intsony no ilaina eto amin’ny firenena fa olona manam-panahy.

AFAKA MILATSAKA DAHOLO

Mamerina ombieny ombieny araka izany ny filoha nasionalin’ny fikambanana HAFARI Malagasy fa ny famerenana ny rafitra fokonolona ihany miainga amin’ny fifidianana ny filoham-pokontany sy ny fanomezan-danja ireo karazana soatoavina maro samihafa no hahafahana manarina ny firenena. Ho an’ireo mpanao pôlitika manokana dia notsindriany fa tokony hahena ny tombontsoan’izy ireny satria efa saika nisaosy teto amin’ny firenena avokoa ny ankamaroany.  Ampy izay hoy hatrany izy ! Aoka izay ihany koa ny fifankahalana sy ny fifanenjehana  fa raha sahy dia  samia  milatsaka hofidiana  amin’ny fifidianana hotanterahina ny taona 2018 ho avy izao.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT