Politique

Fikambanana H.O.P.E Hanao loa-bary an-dasy momba ny fifidianana


  • Alarobia 29 Novambra 2017

Amin’izao vanim-potoana fanomanana ny fifidianana izay hatrehan’ny vahoaka Malagasy amin’ny 2018 izao, dia manentana ny olom-pirenena rehetra ny fikambanana H.O.P.E (Hetsika olom-Pirenena Entanina), mba samy handray ny andraikiny tandrify azy avy mba hahatomombana an-tsakany sy an-davany izany fotoan-dehibe ho an’ny firenena izany.

Manoloana izany dia manomana loa-bary an-dasy ny Fikambanana H.O.P.E ny alakamisy faha 30 Novambra ho avy izao, amin’ny 2 ora tolakandro , eny amin’ny American Center Tanjombato. Miompana amin’ny hoe : « Ny olom-pirenena, resy lahatra amin'ny maha-zava-dehibe ny fifidianana » ny lohahevitra amin’izany. Hampahafantarina sy hofakafakaina ao ny momba ny andraikitry ny olom-pirenena rehetra, manomboka amin’ny fanomanana ny fifidianana, mandritra ny andro fifidianana, ary mandra-pivoakan’ny valim-pifidianana ofisialy. Tsy misy vidim-pidirana na fanasana manokana, fa ny olom-pirenena rehetra dia afaka manatrika izany loa-bary an-dasy izany avokoa. Zava-dehibe sy anjara adidy goavana ny fampahafantarana ny olom-pirenena ny anjara adidiny amin’ny fifidianana, ary tokony ho tsapany sy maharesy lahatra azy izany, fa raha tsy izay dia mbola ho fombafomba ihany ny fifidianana eto amintsika, ka tsy hisy fiovana sy fampandrosoana azo hantenaina.

Toky R                

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT