“Ho tanteraka ny fifidianana raha ny fahitako azy, raha mahita ny fihetsiketsehan’ireo vahiny mpamatsy vola sy ny Vaomirem-pirenena manokana misahana ny fifidianana ary ny Firenena Mikambana ankehitriny, saingy ny olana dia mety tsy ho ara-demokratika izany ka hatahorana hiteraka krizy vaovao tsy ho ela indray”.
Izay no nambaran-dRakoms, filohan’ny Fikambanana Zafin’Iharana Mivoatra (FIZIM) sady kandida depiote ao amin’ny Distrikan’Antalaha, Faritra SAVA. Nomarihany mantsy fa “tena ao anatin’ny vanim-potoanan’ny orana sy rivodoza ary fotoana maharatsy ny lalan-tany any aminay izany volana desambra izany, ka fifidianana ho an’ny mpanam-bola no hitranga eto raha izay, satria ireo afaka manofa helikoptera sy afaka mampiasa fiara tsy mataho-dalana ary ireo manana mpanohana ara-bola any ivelany no hivoaka eto. Tsy mahakivy anay FIZIM anefa izany satria efa vonona hatramin’ny ela izahay ary afaka hifampitana tsara amin’ireo mpifaninana aminay”. Ho an’ny FIZIM araka ny voalazan-dRakoms azy ihany dia “mila fifidianana amin’izay ny Malagasy hahafahany mifidy ireo olona tiany hitondra ny hetahetany eo amin’ny famolavolana lalana hitondrana ny fampandrosoana sy hametrahana tany tan-dalàna amin’izay eto. Hanana andraikitra goavana mantsy ireo ho lany eo amin’ny famerenana ny firenena anaty fanarahan-dalàna sy anatin’ny fampanajana ny tena demokrasia”.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.