Fikambanana FIZIM

> “Fifidianana ho an’ny mpanam-bola no hitranga eto”


  • Alakamisy 29 Aogositra 2013

“Ho tanteraka ny fifidianana raha ny fahitako azy, raha mahita ny fihetsiketsehan’ireo vahiny mpamatsy vola sy ny vaomiera manokan’ny fifidianana (CENIT) ary ny Firenena Mikambana ankehitriny.

Ny olana anefa dia feno ny fepetra amin’ny maha demokratika azy ka hatahorana hiteraka krizy vaovao indray tsy ho ela”. Izay no nambaran’Atoa Rakoms filohan’ny Fikambanana Zafin’Iharana Mivoatra (FIZIM) izay mitarika ny lisitry ny kandida depioten’izy ireo ao amin’ny Distrikan’Antalaha faritra SAVA. Nomarihany mantsy fa “tena ao anatin’ny orana ary fotoana maharatsy ny lalan-tany any aminay izany volana desambra izany, koa dia fifidianana ho an’ny mpanam-bola no hitranga eto raha izay, satria ireo afaka manofa helikoptera sy afaka mampiasa fiara tsy mataho-dalana lafo vidy ary ireo manana mpanohana ara-bola any ivelany no tafavoaka eto. Tsy mahakivy ny FIZIM anefa izany satria efa vonona hatramin’ny ela izahay ary afaka hifampitana tsara amin’ireo mpifaninana aminay, hoy Rakoms.

 Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT