Politique

Fikambanana FI.MA.MI Kandida depiote ao Toamasina ny Dr Benessy


  • Alatsinainy 13 Mey 2013


 Nanao fivoriam-be nanapahana hevitra ny tokony hiatrehena ny fifidianana ho solombavam-bahoaka omaly alahady, ny fikambanana FIMAMI (Fikambanana Malagasy Miray) tarihan’ny mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita Dr. Benessy Harison Sébastien, izay natao tao amin’ny kianja mitafon’ny Soavita. Tapaka tamin’izany fa ny filohan’ny fikambanana no mitarika ny lisitry ny FIMAMI, ka na mifarana amin’ny 26 mey aza ny fanaterana ny lisitra miaraka aminy dia ny 09 jona vao hampahafantarina ny mpikambana ireo kandidan’ity fikambanana fikambanana mpanao asa soa ity, izay nanamafy fa mbola hanohy ireo asa sosialy sy fitsaboana fanaony hatrany. Nanamarika ny Dr Benessy fa tsy mbola manana kandida ho tohanana amin’ny fifidianana izay ho filoham-pirenena ny FIMAMI, miankina amin’ny fivoriam-be manaraka ny volana jona izao no hamaritan’ny mambra izany. Mampirisika sy mitaky ny hahavitan’ny fifidianana ho famahana ny krizy ny FIMAMI, nefa manahy kosa noho ireo zava-misy ataon’ireo kandida sy ny mpanao politika sasany ary ny fanapahan-kevitry ny FFKM farany teo izay ihany koa.

Rakoutou 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT