Ianao ihany no fantatray, tsy mandray baiko avy amin’izay any ambadika any izahay aloha fa ity no anay, ary Ramose Todisoa no efa namaha ny olanay.
Tsy mijery Antoko izahay amin’ity fa olona Zanak’Ambohimanarina sady manam-pahaizana mahavita azy i Todisoa, izay efa nitsinjo anay hatramin’ny ela, hoy ireo vahoaka maro manodidina ny 600 isa avy amin’ny Fikambanana FARIMBONA manerana ny Fokontany 31 ao Ambohimanarina izay tarihin-dRamatoa Nzamila sy Andriamatoa Jose Be, teo amin’ny trano fisakafoanana Cantine Imamba Antehiroka. Tsy manavaka aho, hoy i Todisoa Andriamampandry, fa kandida anareo rehetra na loko manga na mena na maintso na loranjy. Nisaotra ary nanome toky fa tsy hanary ny vahoaka satria na tsy mbola kandida Depiote aza ny tenako, dia efa nifandray foana isika rehetra teny anivon’ny fiaraha-monina sy teny an-tsekoly, maika fa tonga izay fotoana izay tsy ho mihoatra lavitra ny teo aloha no ho vita, hoy ity kandida laharana voalohany ity. Marihina fa ireto vahoaka ireto dia ahitana sokajin’olona samihafa kanefa ireo tena sahirana no betsaka, nanolotra koveta menamena be hoazy ireo ny Kandida Depiote TIM.K25 Andriamampandry Todisoa izay nombam-bady tamin’ity fotoana ity. Ny marainan’ny Sabotsy 23 martsa teo moa dia niaraka tamin’ny FJKM Ambodihady Vaovao tamin’ny alalan’ny Sampana Sekoly Alahady ny tenany nanatrika ny TAFIKA MASINA teo amin’ny Kianja Carriere Ambodihady raha nijanona kely ny Amboma Misoma tamin’io andro io.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.