Tsy milamina mihitsy ny toe-draharaha eo anivon’ny antoko Tgv taorian’ilay vovonam-pirenena nataon-dry zareo tamin’ny zoma sy sabotsy lasa teo ka nanendrena kandidà an’Atoa Edgard Razafindravahy. Mitsangana indray mantsy ankehitriny ireo fikambanana samihafa toy ny Fikambanan’ny Foko 18, ny Vahoaka Andriamanjaka, ny Hery Vao, ny Tantsaha mitambatra Itasy, ny zanak’Avaradrano, ny tontolon’ny Rugby Malagasy, ka nilaza fa tsy taratry ny fanovana nimatimatesana ireny zava-niseho teny amin’ny Futura Andranomena ireny fa tena famerenana ny didy jadona nialana taloha. Manahy izahay, hoy ry zareo, fa mananontanona eto amintsika ny ady politika sy korontana, koa mitaky sy manainga ny jeneraly Camille Vital hirotsaka ho kandidà ho filoham-pirenena koa ry zareo. Izy irery ihany, hoy ireto fikambanana ireto, no antoky ny firaisam-pirenena, hampiray ny Malagasy ary antoky ny fandriampahalemana sy ny fandrosoan’i Madagasikara.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.