Velom-bolo ny tantsaha any Soavinandriana Itasy fa nirotsaka nivatravatra voalohany ny orana omaly ary namonto ny tany mihitsy. Ho foana ny mosary nahiana, hoy ireto tantsaha ireto, satria hiakatra ara-potoana ny vokatra toy ny katsaka sy vary amin’iny fiandohan’ny taona ho avy iny.
Mbola velom-bolo ihany koa ry zareo fa nahazo masomboly nilanja 3 taonina maimaimpoana avy amin’ny fikambanana Andrin’i Madagasikara notarihan’ny filohany Rakotovao Andry tonga tany an-toerana, nanotrona ny lanonana nanamarihana ny fijoroan’ity fikambanana ity any Soavinandriana Itasy. Fisaorana no nentin’ireo solontenan’ny tantsaha noho izao fihetsika mahavelombolo nataon’ny Andrin’i Madagasikara izao sady nanararaotra ny fahatongavan’ity mpandraharaha ity nangataka ny hijereny ny lemaka 2700 ha sy ny lalana 15 km mankao aminy izay hahatonga an’i Soavinandriana ho sompitr’Itasy raha voakarakara. Nangatahan’ireo tantsaha koa ny hisian’ny toeram-pamatsiana hividianan’ny tantsaha zezika mivantana tsy misy mpanelanelana, dia ny lalam-barotra amoahan-dry zareo vokatra, ary ny hananganana orinasa hanodina ny vokatra any aminy toy ny voatabia, mananasy … Nahazo valiny fampanantenana tamin’Atoa Rakotovao Andry avokoa ireo rehetra ireo nefa mila fiarovana isika, hoy izy, amin’ny fananana olona eny anivon’ny fitondrana, indrindra ny mpamolavola lalàna hampanjary ny vokatrareo tantsaha. Nampahafantarina, araka izany, ireo kandidà ho solombavambahoaka mirotsaka amin’ny anaran’ny fikambanana Andrin’i Madagasikara avy any Amparafaravola, Bongolava, Ambatondrazaka, Moramanga, Soavinandriana ary Avaradrano izay samy tonga tany an-toerana avokoa. Ny filohan’ny fikambanana nasionaly, Atoa Andry 44 no an’Avaradrano ary Atoa Imanga Rakotorahalahy mpampiantrano no an’i Soavinandriana Itasy.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.