Politique

Fikambanana ANAWI Mitaky ny hihaonan’ireo filohan’ny ankolafy 4


  • Alakamisy 24 Novambra 2011

Manaraka akaiky ny fizotry ny raharaham-pirenena ny fikambanana ANAWI tarihan’ny Maître Avoko Rakotoarijaona ary manan-kambara tamin’ireo zava-nitranga maromaro tato anatin’ny herinandro.

Voalohany amin’izany ny savorovoro teny Behoririka noho ny famonoan’ireo Sinoa ny Malagasy miasa ao aminy iray noho ny resaka tsy nifankahazo tsara eo amin’ny vola. Nanamafy ary ny fikambanana ANAWI tamin’ny alalan’ny fanambarana fa tena : «tsy tantin’ny fo sy ny saina ny mahita trangan-javatra tahaka ireny teny Behoririka ny talata maraina lasa teo ireny, dia ny fikasihan-tanana ny Malagasy ataon’ny teratany vahiny». Tena mampalahelo tokoa ny toe-javatra tahaka ireny, araka ny fahitan’ity fikambanana ity azy satria sady efa manararaotra migoka ny harem-pirenena eto ireo vahiny no mbola misetrasetra sy manao tsinontsinona ny Malagasy ihany. Ho an’ny ANAWI dia ao anatin’ny kihon-dalana sarotra isika amin’izao fotoana, koa fahendrena ny fitoniana ho an’ny rehetra.

Nampahatsiahy ihany koa ity fikambanana ity, araka ny tapaka nandritra ny zaikabe nasionaliny tao Andrefanambohijanahary farany teo, fa tena maika ny fanatanterahana an-tsakany sy an-davany ny tondrozotra, ka singanina manokana amin’ny ny fahafahan’ireo sesitany mody an-tanindrazana, indrindra ireo filoham-pirenena mirahalahy teo aloha. Ho avy amin’ity anio ity ny filoha Ratsiraka, ny profesora Zafy Albert dia efa eto an-toerana, irariana ny hahatongavan’ny filoha Marc Ravalomanana tsy ho ela, araka ny hevitry ny ANAWI ihany, satria zava-dehibe loatra amin’ny famahana izao krizy izao ny fifampiresahana’ireo raiamandreny efa samy nitondra ny firenena ireo, izay samy manana ny traikefany sy ny fahaizany avy.

Mazava ny resaka eto fa dia mitaky ny hanaovana ny fihaonana an-tampon’ireo filohan’ny ankolafy 4 eto Antananarivo, tahaka ny efa notakiany tamin’ny 2009 ny ANAWI satria izay ihany, araka ny fahitan’izy ireo azy no hampitony tanteraka ny firenena ka hahafahana miroso any amin’ny fifidianana tsy misy lolom-po mba ho fampihavanam-pirenena marina. Farany dia nanamarika ity fikambanan’ny mpikatroka Kung Fu ity fa raha sanatria tena tapi-dalan-kaleha ny firenena ary tsy mahita vahaolana mihitsy ireo mpanao politika, dia hampiharina ny fehin-kevitra tapaka tamin’ny zaikabe nasionaly ka hitarika ny vahoaka izy ireo. Tsy fantatra mazava ny hetsika hatao amin’izany, saingy nanamafy ny Maitre Avoko fa tsy miteniteny foana na mirediredy izy ireo fa tena vonona handray andraikitra ho an’ny firenena sy ho fanavotana ny vahoaka Malagasy.
RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT