Taorian’ny tany Ambatolampy, ny 23 jona 2014, dia tafajoro ny sabotsy 12 jolay teo ihany koa ny sampan’ny fikambanana “Ambalambahoaka” any Toamasina izay misahana asa sosialim-bahoaka.....
Nambaran’ny filoha mpanorina ny fikambanana izay efa niofo ho filoham-boninahitra ankehitriny, Atoa Rakotonandrasana Gilbert, fa vinan-dry zareo ny hampitombo ny ambaindain’ny fikambanana manerana ny Nosy. Vonona hiaraka hiasa ho elanelam-panahy eo amin’ny mpitondra sy ny vahoaka izahay, hoy izy, hanaitra ny fanjakana amin’ny tokony hanatanterahany ny fampanantenana nataony tamin’ireo vahoaka ireo. Tena hadinon’ny olom-boafidy foana mantsy, hoy Atoa Rakotonandrasana Gilbert, ny vahoaka nametraka azy teo amin’ny toerana rehefa miteronterona amin’ny misy azy izy ka tsy ho ekena intsony izany fa handray andraikitra ny “Ambalambahoaka” hampita ny hafatra amin’izy ireo. Nanatrika ny fivoriambe voalohan’ny fikambanana “Ambalambahoaka” Toamasina sy nametraka ofisialy an’ireo biraom-paritra mpitantana izany tarihan’ny filohany Rabariarison Jacques ny birao nasionaly avy aty Antananarivo notarihan’ny filoha nasionaly Randrianatoandro Jules sy filoham-boninahitra Rabera ary ny Sekretera Jeneraly Harisson Jean.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.