Politique

Fikambanana «Ambalambahoaka» Tafatsangana ny sampana any Toamasina


  • Talata 15 Jolay 2014

Taorian’ny tany Ambatolampy, ny 23 jona 2014, dia tafajoro ny sabotsy 12 jolay teo ihany koa ny sampan’ny fikambanana “Ambalambahoaka”

” any Toamasina izay misahana asa-sosialim-bahoaka. Nambaran’ny filoha mpanorina ny fikambanana izay efa niofo ho filoham-boninahitra ankehitriny, Atoa Rakotonandrasana Gilbert, fa vinan-dry zareo ny hampitombo ny ambaindain’ny fikambanana  manerana ny Nosy. Vonona hiaraka hiasa ho elanelam-panahy eo  amin’ny mpitondra sy ny vahoaka izahay, hoy izy, hanaitra ny fanjakana amin’ny tokony hanatanterahany ny  fampanantenana nataony tamin’ireo vahoaka ireo. Tena hadinon’ny olom-boafidy foana mantsy, hoy Atoa Rakotonandrasana Gilbert, ny vahoaka nametraka azy teo amin’ny toerana rehefa miteronterona amin’ny misy azy izy ka tsy ho ekena intsony izany fa handray andraikitra ny “Ambalambahoaka” hampita ny hafatra amin’izy ireo. Nanatrika ny fivoriambe voalohan’ny fikambanana “Ambalambahoaka” Toamasina sy nametraka ofisialy an’ireo biraom-paritra mpitantana izany tarihan’ny filohany Rabariarison Jacques ny birao nasionaly avy aty Antananarivo notarihan’ny filoha nasiônaly Randrianatoandro Jules sy filoham-boninahitra Rabera ary ny Sekretera Jeneraly Harisson Jean.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT